Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Jolay, 2019
Maraoka: Saripikan'ny hetsi-panoherana 2011
Vitsy no nahazo sary tsara tarehy mihoatra ny an'i Omar El Hyani tamin'ny fihetsiketsehana ny 20 Febroary 2011 tany Maraoka izay nahitana ny sariny nalaina avy ao Rabat navoakan'ny The Nation ary navoaka tao amin'ny bilaogy Mamfakinch . Nalaintsika eto ireo sary tsara indrindra notsongaina.
Tontolo arabo: Miantso an'i Gaza sy ny ady ara-teknolojika atao amin'i Israely
Miantso ny mpamaky azy ireo bilaogera mba handray ny telefôniny ka hiantso ireo mponina ao Gaza mba hanome fanohanana azy ireo. Eo koa ny Palestiniana mpikatroka mandrisika ny mpamakiny hiantso ny manampahefana Israeliana - ary mandany ny fotoanan'izy ireo, ary mitoratoraka mailaka amin'ny fax-ndry zareo sy mameno hafatra ny fitoeran-taratasy.
Famoretana taorian’ny fifidianana tany Maoritania : nesorina ny sakana tamin'ny Aterineto saingy mbola notànana ny mpanao gazety
Mbola nanohy ny famerana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalaham-pitenenana izay anisan'ny famoretana taorian’ny fifidianana ny governemanta na dia teo aza ny fiafaran’ny fanakatonana ny Aterineto naharitra 10 andro.