Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Desambra, 2010
Tonizia: Korontana nateraky ny fikasana hamono tena nataonà lehilahy iray tsy an'asa
Toniziana tsy an'asa iray no nikasa handoro ny tenany ho fanehoana tsy fankasitrahana amin'ny tsy fahitàny asa, ka niteraka onjan-kerisetra tao an-toerana sy fanehoana firaisankina ombam-panohanana teo anivon'ny tambajotra sosialy. Raha mbola tsy fantatra mazava izay niafaran'i Mohamed Bouazizi, 26 taona, avy ao Sidi Bouzid, faritra atsimon'i Tonizia, nopaingorin'ireo Toniziana mpampiasa aterineto ilay zava-nitranga mba hilazàna ny tsy fisian'ny asa, ny kolikoly sy ny fitsitontongan'ny zo maha-olona ao amin'ny firenen-dry zareo.
Oman: Sàngany amin'ny fitorahana bilaogy no mitantara ny aminy
Ny bilaogy ao Oman, tahaka ny any an-kafa aty amin'ny faritra, dia tsy malaza loatra miohatra amin'ny toeram-pifanakalozan-dresaka (forum) amin0ny aterineto, saingy nisy fitoboroboany kosa ny fitorahana bilaogy tato anatin'ny taona vitsy. Global Voices dia nitafatafa tamin'i Muawiyah Alrawahi, tanora iray mpitoraka bilaogy namporisika ny Omanis (ilazàna ny olona avy any Oman) mba hitoraka bilaogy sy hanokatra adihevitra ho an'ny daholobe eo amin'ny firenen-dry zareo, amin'ny fanamafisana fa "ny olana tsy ifanakalozantsika hevitra no olana tsy ho voavahantsika".
Syria: Avelao hirotsaka ny ranomandry!
Toetrandro tsy nahazatra loatra narahan-tafiotra no nanamarika ny herinandro lasa teo tany amin'ny faritra maro tany Levant, raha nirotsaka ny orana efa nandrasana ela sy ny ranomandry tsy nampoizina nandrakotra izay rehetra taka-maso. Tao an-drenivohitra Siriana, sambany rakotra ranomandry indray ny arabe rehetra raha tsy nisy izany an-taona maro. Tao Damas, na dia misy ranomandry tsindraindray ihany aza, tsy dia mijanona ela eo ambonin'ny tany ireny.
Arabia Saodita: Afaho ilay Saodiana mpampianatra, i Dr Mohammed Alabdulkareem
Saudi Dr Mohammed Alabdulkareem dia nosamborina taorin'ny namoahany lahatsoratra iray momba ny fiantraikian'ny fifehezana ny ara-politika eo anivon'ny fianakavian'ny mpanjaka [Ar]. Mitsangana mitaky ny famotsorana azy amin'ny alalan'ny fampiasàna bilaogy, Facebook sy Twitter ireo mponin'ny aterineto.
Jordania: Herisetra amina baolina kitra sa Fanavakavahana?
Ireo tatitry ny Fampahalalam-baovao dia maminavina fa 250 any ho any ny naratra taorian'ny lalao baolina kitra tao atsimon'i Amman nifanandrinan'ny tarika Wihdat, izay matetika no tohanan'ireo Jordaniana manam-pihaviana Palestiniana, sy ny tarika al-Faisali, izay mazàna kosa no tohanan'ireo Jordaniana manam-pihaviana avy any Transjordania. Miresaka momba ny loza nitranga ireo mpandefa Tweets