(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary 2011 ny lahatsoratra teny Anglisy)
Fitantarana manokana ataonay momba ny Revolisiona Tonizia 2011 ity lahatsoratra ity.
Taorian'ny revolisiona vao haingana tao Tonizia, mbola marefo sy atahorana ny toe-draharaha ara-politika ao amin'ny firenena, satria miditra amin'ny andro fahaefatra manaraka ny sit-in ataon'ireo mpanao hetsi-panoherana ao amin'ny kianjan'i Kasbah eo akaikin'ny tranoben'ny governemanta ao an-drenivohitra Tunis. Nampiseho famantarana tsy fihemorana ireo mpanao fihetsiketsehana ary tapa-kevitra ny hanohy ny fihetsiketeshana mandra-pivaly ny fitakiany rehetra, izay ara-politika avokoa.
Ny tena lasibatr'izy ireo dia ny governemanta vonjimaika, izay heverin'ny mpanao fihetsiketsehana ho tsy ara-dalàna sy tsy misy solontenan'ny vahoaka, fa fanitarana fotsiny ny fitondran'ny filoha voahongana teo aloha Ben Ali.

Ny lisitr'ireo “Fitakiam-bahoaka” nosoratan'ny mpanao fihetsiketsehana sit-in tamin'ny sainam-pirenena Toniziana. Saripikan'i Winston Smith.
Anisan'ireo lisitry ny “Fitakiam-bahoaka” an'ireo mpanao hetsi-panoherana: ny fanafoanana ny antenimieran'ireo solombavambahoaka sy ny mpanolo-tsaina, ny fametraham-pialan'ny praiminisitra vonjimaika Mohammed Ghannouchi sy ny governemantany, ny fanafoanana ny antokon'ny fitondrana teo aloha RCD CD (Le Rassemblement constitutionnel démocratique), ary ny fametrahana antenimieram-panorenana.
Bilaogera Toniziana iray ao amin'ny Kissa Online nanoratra hoe:
رجعنا عشية يوم 20 فيفري 2011 للإ عتصام ببطحاء القصبة بتونس حيث مقر الحكومة…مطالبين برحيل محمد الغنوشي و جماعته…حاولت الشرطة إخراجنا من البطحاء ليلة 20 لكنها لم تفلح…

Mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny kianjan'i Al-Kasbah ao Tunis nandritra ny alina. Sary nalaina tao amin'ny bilaogin'i Kissa Online.
Tunisien Libre nilaza fa efa nanomboka nioty vokatra tsara ny sit-in:
Depuis le début du sit-in à la Quasba, le gouvernement commence à bouger, hier, une demande d'extradition de l'ex-président Ben Ali, aujourd'hui une demande d'extradition de sa femme, et une demande de dissolution du RCD présentée par le ministre de l'intérieur au Tribunal de première instance de Tunis.
Heny (@dr_heny) nisioka hoe:
انفروا الى القصبة يا شباب تونس! الثورة تحتاجنا ! حرروا تونس من بقايا النظام الفاسد.الانجاز لم يكتمل بعد.
يا توانسه ثورتكم في خطر موت و القصبه العزه و في نصرتها الآن يكمن القضاء على حكومه العار و الدمار
Liliopatra (@liliopatra) maneho ny fanohanany ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny kianjan'i Kasbah:
Manifestants à la Kasba,on est avec vous. Nous sommes unis plus que jamais.Honorables martyrs,vous ne serez pas morts pour rien
Na dia izany aza, tsy faly amin'ny sit-in ny ampahany kely amin'ny tanora Toniziana ary miahiahy an'ireo mpanao fihetsiketsehana izay heveriny ho mpanakorontana.
Amira Yahyaoui (@Mira404), mpikatroka Toniziana ho an'ny fahalalahana misioka:
Les manifestants de la Kasbah sont manipulés, s'ils ne le sont pas ce sont des anarchistes. Le lavage de cerveau : ça marche!
Aliboulila (@aliboulila) nametra-panontaniana hoe:
??????? j'y comprend rien moi! C'est quoi l'objectif du sit-in d'El Kasbah cette fois?
Sami Mzoughi (@learningwithsam) nisioka hoe:
Sit-in à la Kasbah: le peuple tunisien veut tout et tout de suite… mais c'est pas en une semaine qu'on va rattraper 23ans de connerie…