Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Aogositra, 2014
Lahatsarin-Jazakely Syriana Avotra Avy Amin'ny Korotam-Baton'ny Trano Ravan'ny Baomba
Nandrava ny tranon'i Ghina, zazakely sy nahafaty ny reniny ny baomba barika . Avotra soa aman-tsary i Ghina, na dia efa sarona tanteraka tao ambanin'ny korotam-baton'ny trano rava aza.
Syriana Iray any Brezila: Tafatafa Niaraka Tamin'i Rami Alhames, Mpiara-miasa Ao Amin'ny Global Voices
Avy any Syria ka hatrany Brezila, avy amin'ny injeniera ka hatramin'ny fikatrohana mafana fo ary mifarana amin'ny Global Voices, manana ny tantarany tsara ho fantatra i Rami Alhames.
Nofafana Noho Ny Fitarainana Maro Ilay Lalao “Bomb Gaza” (Darohy Baomba i Gaza) Tao Amin'ny Google Play
Nofafana tao amin'ny Google Play ny lalao amin'ny Android ahafahan'ireo mpilalao manatontosa fanafihana an'habakabaka ao Gaza taorian'ny tsikera sy ny fahatezerana
Mitohy Mahafaty Olona Ny Daroka Baomba Barika Ao Syria Na Dia Eo Aza Ny Fiampangana Iraisam-pirenena
Tsy noraharahian'ny governemanta Syriana ny fanapaha-kevitry ny Filan-kevi-piarovan'ny Firenena Mikambana mba hampitsahatra ny fampiasana fitaovam-piadiana "barikam-baomba", izay nararaka an-jambany tao amin'ireo faritra misy sivily.
Enjika Mpamosavy [Hazalambo] Elektronika ao Bahrain, Israely sy ny ISIS
Marobe ireo olona nosamborina sy nampijaliana tao Bahrain taorian'ny hazalambo antserasera hamantarana ireo mpanao fihetsiketsehana. Nampiasain'i Israely sy ny ISIS izany tetikady izany androany.
Nahafatesana Palestiniana Betsaka Kokoa noho ny Vy Nohamafisina Tamin'ny 2008 Ny Sisim-Piarovan'i Israely Ankehitriny
Mitotaly 1.437 ny isan'ny Palestiniana maty tao Gaza noho ny fanohizan'i Israely ny fanafihana ilay faritra tafiditra anelanelan'ny tanin'ny hafa amin'ny andro faha-24n'ny fanafihana, ka nisongona ny tamin'ny Vy Nohamafisina notontosaina enin-taona lasa izay.