Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Septambra, 2015
Toherin'ireo Mpiaro Zon'Olombelona Ny Didy Fanamelohana Ho Faty Navoakan'ny Fitsarana Saodiana Ho An'ilay Tanora Ali Al-Nimr
Vao 17 taona ilay Saodiana Ali al-Nimr no efa voasambotra. Ankehitriny, eo amin'ny faha-21 taonany, voaheloka hotapahan-doha izy, ary avy eo ny vatany hahantona ho lò eo ambony tanambokovoko.
Namono olona 12 ahitana Meksikana mpizahatany 8 i Ejipta dia niala tsiny avy eo
Meksikana mpizahatany valo miaraka amin'ny efatra hafa no maty voatifitry ny angidimby tao amin'ny toerana iray malaza eo amin'ny samy mpizahatany, ao amin'ny Tanihay Andrefana, ao Ejipta. Fa nahoana no lasibatra ry zareo?
Mividiana Penina Iray, Manavota Aina Iray. Nanainga Hetsika Fanangonam-bola Ny Raim-pianakaviana Siriana Iray
The #BuyPens campaign is a collaborative effort to help a Syrian refugee father, recently photographed selling a handful of pens in Beirut, Lebanon. ............. Ezaka Fiaraha-miasa iray mba hanampiana raim-pianakaviana Siriana mpitsoa-ponenana iray ny #MividianaPenina, fakàna sary vao haingana fivarotana ireo penina eran'ny tanana tao Beirut, Lebanon.
Taona Iray Lavitra An'i Siria
Inona no nitranga tamin'ny Siriana iray mpikatroka mafàna fo, sy ireo idealiny rehefa injay izy nialokaloka tany ivelan'ny fireneny rotiky ny ady?
Tadiom-bovoka mandrakotra an'i Palestina, Isiraely, Jordania, Syria ary Libanona
Misy tadiom-bovoka goavana manavatsava ny ilany andrefana amin'i Afovoany Atsinanana omaly sy anio. Indreto ny sary sasantsasany nifampizarana mampiseho ny vaikany
Nidina an-dalambe hanohitra ny kolikolin'ny governemanta sy ny tsy fisian'ny servisy tsotra indrindra ny Irakiana
Manao fihetsiketsehana isan-joma hanoherna ny kolikolin'ny governemanta sy ny tsy fisian'ny tolotra tsotra indrindra sy fototra ny Irakiana an'arivony enina herinandro nitabatabana izao, hoy ny nosoratan'i Anne Koopman
Daroka Baomba Tao Bahrain: Ankamantatra Tsy Voavaha Miafara Amin'ny Fanamelohana Ho Faty
Bahrainita maromaro no efa voasambotra isaky ny misy ny fanapoahana baomba mikendry ireo ao amin'ny filaminana. Ao anatin'izao vanim-potoanan'ny sosialy media izao anefa dia mampikorotana ny sain'ny olona ny tsy fisian'ny sary mihitsy amin'ny fanafihana tahaka izany.
Nibodo Ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana Ireo Mpikatroka Libaney “Maimbo Ianareo”
Mpanao fihetsiketsehana Libaney 50 eo ho eo avy amin'ny hetsika "Maimbo ianareo" sy ny hetsika hafa tamin'ny Talata teo no nanambara fibodoana misokatra ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana, ora vitsivitsy alohan'ny ifaranan'ny fe-potoana 72 ora nomen'ireo mpanao fihetsiketsehana hamaliana ny fitakian'izy ireo.
Aiditra Am-ponja Tsikelikely Ireo Mpanohitra Malaza Ao Bahrain
Akaton'i Bahrain ny Fikambanana Islamika Al Wefaq, vondrona mpanohitra goavana indrindra ao amin'ny firenena. Aiditra am-ponja tsikelikely ireo mpitarika ao aminy.