Egypta: Mpanefoefo Voarohirohy Ho Namono Vehivavy Mpihira Iray

(Marihina fa tamin'ny 3 Septambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosamborina noho ny famonoana ny vehivavy mpihira Libaney iray monina ao Dubai ny lehilahy mpandraharahana mpanefoefo Egyptiana iray. Ireto ny fanehoan-kevitr'ireo bilaogera Egyptiana momba ity raharaha ity.

Nanambara ny vaovao vao mafana i Zeinobia tao amin'ny bilaogy Egyptian Chronicles. Hoy izy nanoratra :

J'ai eu des informations officieuses par Twitter aujourd'hui, le procureur a officiellement inculpé Hisham Talaat Mustafa pour avoir commandité le meurtre de Suzan Tamim [en anglais].
L'information a été confirmée par le site de la  BBC en langue arabe, d'ailleurs, aujourd'hui n'était pas le jour de l'inculpation formelle mais de l'arrestation de Hisham Talaat Mustafa. Voilà l'article de Masrawy.com [en arabe]. “Hisham Talaat Mustafa a été arrêté aujourd'hui au Caire. Le conseil d'administration de son empire, ou plutôt, de l'empire de son père, le groupe TMG  (Talaat Mustafa Group) s'est immédiatement réuni et son frère Tarek a été nommé PDG par intérim.
Les actions TMG à la bourse égyptienne n'ont certainement pas progressé, après cette fabuleuse nouvelle, elles ont perdu 16% de leur valeur nominale, je m'attends à un autre plongeon demain car la nouvelle n'a pas été annoncée officiellement aujourd'hui comme prévu.

Nahazo vaovao tsy tena ofisialy tamin'ny alàlan'ny Twitter aho androany, niampanga tamin'ny fomba ofisialy an'i Hisham Talaat Mustafa tamin'ny fanomezana baiko hamonoana an'i Suzan Tamim ny mpampanoa lalàna.
Nohamafisin'ny tranonkala BBC amin'ny teny Arabo ny vaovao, izany eo ihany, tsy androany no andro fiampangana fa fisamborana an'i Hisham Talaat Mustafa. Ity ny lahatsoratr'i Masrawy.com. ” Nosamborina androany tao Kairo i Hisham Talaat Mustafa. Nivory avy hatrany  ny filankevi-pitantanan'ny orinasany, na ny fanjakan'ny rainy, ny vondrona TMG (Talaat Mustafa Group) ary ny rahalahiny Tarek no voatendry hisolo ny toerany ho Filoha Tale Jeneraly vonjimaika.

Tsy nivoatra ny sandam-petrabolan'ny TMG teo amin'ny tsenambola Egyptiana, taorian'ity vaovao nahavariana ity, nitotongana 16% ny sandan'ny petrabola, ary mino aho fa vao mainka hitotongana izany rahampitso satria tsy mbola nambara tamin'ny fomba ofisialy androany araka ny efa voalaza ny vaovao.

Namoaka rohy mankany amin'ny tantaram-piainan'ilay lehilahy mpandraharahana i Zeinobia ato.

Nizara vaovao hafa i Elijah Zarwan tao amin'ny bilaogy The Skeptic :

La  police a arrêté hier le milliardaire égyptien Hisham Talaat Mustafa, ex PDG de l'une des plus grosses firmes de travaux publics égyptiennes et député du parti au pouvoir. Il est accusé d'avoir payé deux millions de dollars pour faire assassiner la chanteuse Suzanne Tamim à Dubaï. Il avait été interdit de commenter les liens entre Mustafa et ce meurtre dans les médias, le gouvernement pouvant prendre le parti de Mustafa, qui entretien semble-t-il de bonnes relations avec le fils du Président, Gamal. Apparemment, ce n'est pas tout à fait le cas.

 

Nosamborin'ny polisy omaly ilay mpanefoefo egyptiana Hisham Talaat Mustafa, Filoha Tale Jeneraly teo aloha tao amin'ny iray amin'ireo orinasa lehibe indrindra mpanao asavaventy ao Egypta sady solombavambahoakan'ny antoko eo amin'ny fitondrana. Voampanga ho nandoa vola roa tapitrisa dolara izy mba hamonoana ilay tovovavy mpihira Suzanne Tamim tao Dubai. Voarara ny fanehoan-kevitra momba ny fifandraisan'i Mustafa tamin'ity famonoan'olona ity tao amin'ny fampitam-baovao, mety hiaro an'i Mustafa ny governemanta, izay toa manana fifandraisana tsara amin'ny zanakalahin'ny Filoha, Gamal. Kanefa toa tsy marina loatra izany.

Namoaka ny fanavaozam-baovao momba ny fiantraikan'ity vaovao ity teo amin'ny tsena Egyptiana i Aziz al-Kaissouni avy ao amin'ny Reuters. Ary nitatitra ny lafiny ara-politika tao amin'ny lahatsoratra ho an'ny Financial Times i Heba Saleh .

Ary koa satria miresaka zavamisin'ireo mpanao ratsy ao amin'ny fiarahamonina mahitahita isika dia manana ampaham-baovao hafa i Zeinobia :

Mohamed Farid Khamis, le roi des tapis orientaux, membre du parti NDP et du Conseil de la Choura sont accusés de corruption !!

Il semble que le célèbre vieil homme d'affaire ait corrompu un juge. De là, il a été pris la main dans le sac par des intermédiaires qui ont parlé devant le procureur.

Vous n'en savez rien parce que, comme d'habitude, une interdiction de diffusion a été mise en place par le bureau du procureur. N'oubliez pas que Khamis est un homme d'affaire très puissant.

Voampanga ho manao kolikoly i Mohamed Farid Khamis, mpanjakan'ny karipetra tatsinanana, mpikambana ao amin'ny antoko NDP sy ny Vaomiera Shura !!

Toa nanome kolikoly mpitsara ity lehilahy mpandraharahana zokiolona ity. Avy eo, tsy afa-bela izy teto tamin'ny alàlan'ireo mpanelanelana izay niteny teo anoloan'ny mpampanoa lalàna.

Tsy mahalala na inona na inona mikasika izany ianareo satria, araka ny mahazatra, dia voararan'ny biraon'ny mpampanoa lalàna ny famoaham-baovao . Aza adinoina lehilahy mpandraharahana matanjaka dia matanjaka i Khamis.

Namoaka vaovao misimisy kokoa momba ilay vehivavy mpihira novonoina, Suzan Tamim, ilay bilaogera avy ao amin'ny Teach the Masses, ao Koety.

Suzan Tamim a eu un passé assez mouvementé, elle s'est mariée deux fois et elle a été elle-même soupçonnée d'avoir commandité le meurtre de son second mari. Elle avait une liaison avec Mustafa ( dont la famille est pratiquement “propriétaire” de la ville de Sharm Al Sheikh) mais a rompu il y a environ trois mois. Elle s'est enfuie à Londres, avant de partir pour Dubaï. Malheureusement, Mustafa, l'amoureux déconfit, l'a retrouvée à Dubaï et a payé un policier la somme incroyable de 2 millions de dollars pour la tuer. Ce qu'il a fait en l'égorgeant.

Nisamboaravoara ny lasan'i Suzana Tamim, nanambady indroa izy ary efa noahiahiana ho nanome baiko ny famonoana ny vadiny faharoa. Nisakaiza tamin'i Mustafa izy (“tompon'ny” tanàndehiben'i Sharm Al Sheikh ny fianakaviany) saingy nisaraka izy ireo telo volana lasa izay. Nandositra nankany Londres izy talohan'ny nandehanany tao Dubai. Indrisy anefa fa nahita azy tao Dubai ilay olontiany voafitaka, Mustafa, ary nanome vola 2 tapitrisa dolara ny polisy iray mba hamonoana azy. Ary nataony izany tamin'ny fanapahana ny tendany .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.