Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Septambra, 2017
Vehivavy Saodiana Mpikatroka, Nandresy Afaka Mamily Saingy…
Atsy ho atsy dia ho afaka hamily fiara ireo vehivavy Saodiàna. Na izany aza, mbola mitohy miatrika ny sakan'ny fanavakavahana ry zareo noho ny fisian'ilay rafitra fiahian'ny lehilahy ao amin'ny faritry ny fanjakàna.
Lalàna Vaovao Momba Ny Heloka An-tserasera Ao Palestina, Hanokatra Làlana Vaovao Ho An'ny Fanitsakitsahana Zo Va Re?
Amin'ny alàlan'ny fomba filaza manjavozavo toy ny hoe "firindran'ny fiainam-piarahamonina", "filaminam-panjakana" sy "filaminam-bahoaka", mametraka fameperana maro amin'ny fahalalahana maneho hevitra ilay lalàna.
Manamaivana Ny Famerana Ny Fampiharana Fandefasan-kafatra i Arabia Saodita, Saingy Mbola Voaràra Ny WhatsApp Sy Ny Viber
Taorian'ny sivana goavana nandritra ny efa-taona mahery, nanamaivana ny famerana ny fampiasana ny fampiharana antso antserasera sy ny fandefasan-kafatra (VoIP) amin'ny aterineto i Arabia Saodita.
Voasazy Higadra Herintaona Noho Ny ‘Fitarihana Fihetsiketsehana,’ Nitokona Tsy Hihinan-kanina Ilay Mpanao Gazety Maraokana
Niditra fitokonana tsy hihinan-kanina ilay mpanao gazety Maraokana Hamid El Mahdoui taorian'ny nampiakaran'ny fitsaràna ambony herintaona ny saziny an-tranomaizina.
Mpiaro Ny Zon'Olombelona Palestiniana Nosamborina Noho Ny Lahatsoratra Facebook Iray
Tao amin'ny lahatsoratra Facebook, nanakiana ny Fahefana Palestiniana i Amro noho ny fisamborana ilay mpanao gazety Ayman Qawasmi .
Mpahay Sary Enina Nananihany an'i Assad Tokony ho Fantatrao
Tsy mila fanazavana an-tsoratra na dikantsoratra ny zavakanto. Manaporofo izany ireto sary natao ihomehezana avy amin'ny mpahay sary syriana nanam-pahasahiana ny haneso an'i Assad ireto.