Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Septambra, 2014
Fandevenana Nitondra Ireo Mpitaky Fanovàna Ao Syria Hankany Am-piangonana Niaraka Taminà Raozy Mena
Nivory tao am-piangonana tao Aleppo, any Syria, ireo Kristiana, Silamo, fianakaviana ary revôlisiônera namana, tamin'ny fandevenana ny renin'i Marcell Shehwaro. Ahoana ny fiangonana no lasa toerana mikolokolo ny toetra mendrik'ireo rehetra mpitaky fanovàna na avy aiza na avy aiza no niaviany?
Mpikatroka Ejipsiana Ankavia Mahinour El-Masry Noafahana Rehefa Nigadra 125 Tany Am-Ponja
Rehefa nandany 125 andro tany am-ponja noho ny fanitsakitsahana ny lalàna tsy mahazo manao fihetsiketsehana an-dalambe, dia nahazoana didy ny havoaka ny fonja Ejipsiana ilay mpikatroka amin'ny elatra ankavia eo amin'ny tontolo politika antsoina hoe Mahinour El-Masry androany
Nianjera Ilay ‘Kamiao Skunk’ Israeliana: Faly ny Palestiniana, Fa Inona io No Tena Marina?
Alaivo sary an-tsina anie hoe maka faty miha miparitaka avy ao amin'ny rano maloto miandrona ianao, mametraka iny ao anaty fitaovana fanapotehana ary manatsifotra ilay tsiranoka maloto amin'ny tarehinao. [...] Izany ny 'skunk.'
Alaa Abdel Fattah, Ejiptiana Mpikatroka Mafana Fo Malaza, Mitokona Tsy Mihinan-kanina
Nilaza tamin'ny fanambaràna nalefa tamin'ny Facebook androany ny fianakaviany, fa niditra tamin'ny fitokonana tsy mihinan-kanina tsy misy fetrany ilay lehilahy Egiptiana mpikatroka mafana fo sady mpitoraka bilaogy, Alaa Abdel Fattah, mandra-pamotsotra azy any am-ponja.