Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Febroary, 2017
Nahatonga Resabe Ny Filazan'ilay Mpitsara Syriana Fa Ny Fakana Vady Faharoa No Vaha-olana Ho An'ny ‘Vehivavy Tsy Manambady’
"[Ny fitotongan'ny isan'ny lehilahy] no manasarotra ny olana ary mampisy fiantraikany ratsy eo amin'ireo zatovovavy sy ny fianakaviana, araka ny fenitra ara-tsosialy izay manaratsy ireo vehivavy tsy manambady , misara-panambadiana, na maty vady."
Tantara Foronina Iray ao Palestina Voarara fa ‘Mandrahona ny Fitsipi-pitondrantena sy ny Fahamendreham-bahoaka”
Maro ireo nanohitra ny fanapahan-kevitry ny Fahefana Palestiniana handràra tantara foronina iray voalaza fa manitsakitsaka ny maoralim-bahoaka.
Mikatona Indray ny Aterineton'i Iràka ho Fisorohana ny Hosoka amin'ny Fanadinana
Lasa mahazatra ao Iraka ankehitriny ny fanakatonana ny Aterineto mba hisorohana ny fraody amin'ny fanadinana
Mampihena Ny Fahalalahan'ny Fampahalalam-baovao Ve i Tonizia?
Tamin'ny taona 2016, nampiditra lalàna momba ny fahazoam-baovao i Tonizia, saingy mbola voafetra ny fampiharan'ny governemanta izany.
Fanavaozana Ara-Pinoana ao Ejipta Hahafahan'ireo Vehivavy Mpananatra Hiakatra Ambony Pilipitra
Mitodika any amin'ny vehivavy ny governemanta ejiptiana amin'ny fampielezankeviny hitondrana fanavaozana ny kabary ara-pivavahana. Politika tsy nahafaly ny maro.
Niseho Teo Anatrehan'ny Fitsarana Emirà Arabo Mitambatra Ilay Mpanao Gazety Jordaniana Rehefa Niandry Herintaona Mahery
Notsaraina tao amin'ny firenena Emira Arabo Mitambatra ilay mpanao gazety noho ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook tamin'ny taona 2014 izay noheverina ho maniratsira ny fanjakana Emirati .
Mety Hiatrika 25 Taona An-tranomaizina Ilay Bilaogera Alzeriana Merzoug Touati Noho Ny Antsafa Nataony Tamin'ny Manampahefana Israeliana Tao Amin'ny YouTube
Niampanga an'i Merzoug Touati, bilaogera, tamin'ny "fanomezam-baovao fitsikilovana ho an'ny firenen-kafa", tao amin'ny lahatsarin'ny antsafa nalefa ho an'ny daholobe izay nifanaovany tamin'ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharahambahiny Isiraeliana ny manampahefana Alzeriana.
Bahrain: Nanamafy Ny Famoretana Haino Aman-jery Talohan'ny Tsingerintaonan'ny Hetsi-panoherana
Tamin'ny 16 Janoary, nandràra ny famoaham-baovaon'ilay hany gazety tokana tsy miankina ao amin'ny firenena, al-Wasat ny governemanta, tsy "hampiasa fitaovana haino aman-jery elektronika".