· Avrily, 2008

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Avrily, 2008

Koety: Omeo ahy fotsiny ny Espresso-ko

  26 Avrily 2008

Momba an’i Koweït eo an-dàlam-panarenana ny takaitran’ny tafiotra mahery tamin’iny herinandro lasa iny, ny mpitoraka blaogy G, ao amin’ny blaogin’i G, dia naneho sary roa momba ny fahavoazana tavela. Iray amin’ireny ity : … sy ny fanamarihana toy izao: Tonga maraina be mba hiasa aho androany, toy ny efa fahazàrako,...

SIDA – Zava-pady sy mahamenatra ho an’i Arabo

  20 Avrily 2008

Ny SIDA, syndrome immunodéficitaire acquis mahafaty, dia tsy firesaka any amin'ny tontolo Arabo. Saika ity teny mampivarahontsana ity anefa no novoizin'ireo blaogy maro tamin'ity herinandro ity – avy any Jordana, Iraka, Palestina, Bahran sy Yemena. Hareega, jordaniana mpitoraka blaogy, izay mpitsabo no anton'asany, dia mitatitra ‘resaka manafintohina nifanaovany tamin'olom-pantany iray...

Egypta:Ataovy ankivy izao tontolo izao

  18 Avrily 2008

Ny olona eran'izao tontolo izao dia mampiasa ny fanerena ara-toe-karena mba hanoherana fanapahan-kevitra politika amin'ny alalan'ny fiantsoana fanaovana ankivy ny vokatra avy amin'ny firenena voafaritra mazava. Miaraka amina firenena maro izay ampidirina foana ao anatin'ny lisitr'ireo tratry ny ankivy, dia mizara izao hevi-baovao izao ny mpitoraka blaogy Egyptiana Tarek. Ataovy...

Egypta: Aseho masoandro ny tsy fiankinan-dohan'ny vehivavy

  16 Avrily 2008

Fahitalavitra tsy miankina iray mandeha amin'ny satelita ny OTV izay nahasàrika ny sain'ny mpijery maro tamin'ny andro nanombohany, isaorana ny fomba fijeriny malàlaka, ny zavatra arosony sy ny fomba androsoany azy izay samihafa tanteraka amin'ireo fahitalàvitra mikombona sy mitàna ny fomban-dràzana. i Zaman El Wasl (Ar) mpitoraka blaogy egyptiana, milaza...

Bahrain:Fahafatesana polisy nampizara mpitoraka blaogy

  14 Avrily 2008

Vao niandoha ny herinandro dia polisy Barhaini iray, Majid Asghar Ali, 27 taona, no maty raha nisy nanafika ny fiara mpanao fisafoana iray ary nirefotra ny basy tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Karzakan. Haingana tokoa ny mpitoraka blaogy avy ao Barhain nitondra fanamarihana. Tohina mafy i SoulSearch: Fa inona...

Egypta:Ny tantaran'i Sounilla

  14 Avrily 2008

Zava-bitika ihany no mba hain’i Sounilla, mpianatra Amerikanina, hoe anaty inona ary izy izany no mizotra raha nahita mpianatra roa avy amin’ny anjerimanontolo misy azy nijoro teo afovoan’ny Cairo Square izy ary nanapa-kevitra ny handeha ho eny amin’izy ireo ka ny fakantsariny dia tsy miala any amin’ireo. Tsy hay hoe...

Egypta:Mpitoraka blaogy miatrika vava-ady

  10 Avrily 2008

Nihazakazaka niaraka tamin’ny famantaranora (famantaranandro) ny mpitoraka blaogy Egyptiana nampita ho an’izao tontolo izao ny fitroatr’ireo mpiasa izay niantraika tamin’ny firenena manontolo, toy ireo an’arivony nitangorona nanoloana ny Al Mahalla orinasa fanenonan-damba, nangataka ny hanamboarana ny karamany ho tsaratsara kokoa sady nanohitra ny fisondrotry ny vidim-piainana. Isan’ny voalohany koa niaraka...

Bahreïn: tokony hisaron-doha ve ny tovovavy?

  08 Avrily 2008

Tsy ela akory izay dia nijery fanehoan-kevitra mahakasika ny olàn’ny mpandeha an-tongotra. eto Bahrein, ny fomba fisainana tsy mandroso anànan’ny tanora Bahraini, ny tsindry (fanerena) mianjady amin’ireo tovovavy momba ny fitondràna saron-doha (voaly) – sy ny ilàna ny fifandraisana bebe kokoa amin’ny Amerikanina ireo mpitoraka blaogy avy eto Bahrein. Mandehàna...

Jordana: Inona no famakin'ny zanatsika?

  07 Avrily 2008

“Inona no famakin'ny zanatsika ?” hoy Batir Wardam jordaniana (Ar) manontany, nanoloana ny fangatahan'ity zazavavy iray naniry hividy bokin'ankizy tao amin'ny toeram-pivarotam-boky iray kanefa nodian-dreniny fanina fotsiny. Nandritry ny naha tao amina toeram-pivarotamboky iray azy no nandrenesan’ i Wardam ny resaky ny zazavavy iray sy ny reniny: قبل فترة وبينما...

Bahrain: fiainana milamina anatin'ny fahasamihafàna

  03 Avrily 2008

Hatrizay hatrizay, efa aman'arivorivon-taonany lasa izay, Bahrain dia tanim-pilaminana izay ifangaroan'ny mponina maro samy hafa finoana, sy fiaviana. Tao amina tanàna tranainy iray, i Ràn'i Kristy (Ar), mpiblaogy iray avy ao Bahrain dia nahita sary iray izay mampiseho fiainana mirindra anatina fahasamihafàna. Fiainana mirindra anatina fahasamihafàna ao Bahrain. I Ràn'i...

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar