Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Oktobra, 2015
Voakiana noho ny tatitra “mitongilana” amin'ny lanonam-pivavahana shiita ny fampitam-baovao lehibe
Shiita an-tapitrisany no manamarika ny tsingerintaonan'ny mahamaritiora ny Imam Hussain bin Ali, izay maty novonoina tokony ho 1.300 taona lasa izay, isan-taona. Mandaka ny fomba fandraisana diso ataon'ny fampitam-baovao lehibe ny mpiserasera.
Mitafiotra Media Sosialy Ny Hetsika #FreeAlaa (Avotsory i Alaa) Raha Feno Herintaona ny Nanagadrana Azy
Herintaona tany am-ponja i Alaa Abd El Fattah noho ny fikatrohana ataony. Mbola mamita sazy efa-taona. Miaka-peo ny mpiserasera tamin'ny fankalazana ny herintaonan'ny nanagadrana azy mba hitaky ny famotsorana azy.
Rendrika anaty loto, ‘Reniranom-pako’ manemitra ny araben'ny renivohitr'i Libanona
Avy ny orana tao Libanona ary nivangongo manerana ny arabe nandritra ny volana maromaro ny fako ao Beirota, nivadika ho "reniranon'ny fako" ny araben'ny renivohitra.
Namono Olona Dimy Tao Amin'ny Moske Shiita Ao Arabia Saodita Ny Lehilahy Mitam-piadian'ny ISIS
Nanafika moske tao Saihat, ao amin'ny faritany atsinanan'i Arabia Saodita tamin'ny alin'ny Zoma 16 Oktobra ny lehilahy mitam-piadiana ISIS, nahafaty olona dimy sy nandratra olona sivy izy alohan'ny nahafatesany voatifitry ny polisy.
Mety ho tsy fantatrao —raha miteny espaniola ianao dia mety miteny arabo sasantsasany ihany koa
Miteny Espaniola sy Anglisy i Joy Diaz. Raha nihaona tamin'ny mpampianatra teny Arabo ny zanany vavy izy, tsapany fa mahay teny Arabo marobe ihany koa izy.
Inona Momba Anao Manokana Moa Rehefa Siriana Ianao?
"Ahoana no fomba hanavahana ny ampahany an'ny tena manokana sy ny an'ny daholobe ao anatin'ny habibianao manoloana ireo izay te-hamono anao fotsiny noho ny ezakao hametraka ny zonao manokana sy ny an'ny daholobe?"
Nigadra Telo Taona An-tranomaizina Ny Mpisera Facebook Ejypsiana Iray Noho Ny Sary Sofin'i Mickey Napetrany Teo Amin'ny Sofin'ny Filoha, Abdel Fattah El-Sisi
Nosazian'ny fitsarana miaramila telo taona an-tranomaizina ny mpisera Facebook Ejypsiana iray noho ny fanaovana sarin'ny sofin'i Mickey Mouse teo amin'ny sofin'ny filoha Abdel Fattah El-Sisi sy ny famoahana izany tao amin'ny habaka tambajotra malaza.
Olona Efatra ao amin'ny Dinika Nasionaly Toniziana Nandrombaka Ny Loka Nobel Fandriampahalemana
Ao anatin'ny hafaliana ny Toniziana satria nankasitrahana tamin'ny alalan'ny fanomezana loka Nobel Fandriampahalemana ireo efatra nandrafitra ny Dinika Nasionaly ny fandrosoana ara-demokratikan'izy ireo.
Libanona : Fisamborana Sy Fidirana An-tranomaizina Ho An'ireo Mpanao Gazety sy Mpitoraka Bilaogy Noho ireo Lahatsorany Tamin'ny Facebook
Libane roa, mpampiasa Facebook, no nosaziana am-ponja noho ireo lahatsoratra nosoratan'izy ireo tao amin'ny vohikalanà tambajotra sosialy.
Renivohitr'izao Tontolo Izao Amin'ny Fanaovana Teny Vary Amin'Anana Ve i Beirut ?
Ao Beirut, tsy miteny fiteny iray monja ny ankamaroan'ny olona, fa fifangaroanà telo: Anglisy, Frantsay ary Arabo. Io no antsoin'ny maro ao Beirut ho tenindreny ao Libanona.