Egypta : 89 Isanjaton'ny Tanora No Manohana ny Sivana an'Aterineto

(Marihina fa tamin'ny 26 Novambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Sivy amby valopolo isanjaton'ny tanora Egyptiana, ankizivavy na ankizilahy no milaza fa manohana ny sivana amin'ny aterineto izy ireo, araka ny fanadihadiana vao haingana. Mizara ireo tarehimarika ireo ny Bloggers Times izay nalaina tao amin'ny Vavahadin-tseraseran'ny Ivontoerana Egyptiana momba ny Fampahalalam-baovao sy ny Fanampiana amin'ny Fanapahan-kevitry ny Governemanta, sampan-draharaha ofisialin'ny Fanjakana Egyptiana

أظهر استطلاع لمركز المعلومات ودعم اتخاذ القرار حول استخدامات الشباب للانترنت أن 74% من الشباب يستخدمونه للاطلاع على الاخبار سواء بصورة دائمة أو أحيانا ، وأن 68% يستخدمونه فى تحميل الاغانى والافلام والبرامج والالعاب سواء بصورة دائمة أو أحيانا.
وكشف أن أكثر من نصف الشباب حوالى 58% من مستخدمى الكمبيوتر وأن 36% منهم يملكون كمبيوتر بالمنزل ، كما تبين أن 52% من مستخدمى الكمبيوتر يستخدمون الانترنت.
وعن رأى الشباب فى الانترنت وثقتهم به وافق كل الشباب بالعينة الذين يستخدمون الانترنت على أنه يسهل الحصول على المعلومات ، فيما يرى 98% أنه يصل العالم ببعضه ..
كماوافق غالبية الشباب حوالى 82% منهم على أن الانترنت قد يعرض البعض لصداقات أو علاقات غير موثوق فيها.
كما أظهر الاستطلاع أن 72% من الشباب فى العينة يعتبرون أن الانترنت يشكل خطرا عليهم ، فيما رأى 71% منهم أنه يشكل خطرا على الاطفال ، بينما يرى 43% منهم أن الانترنت يقلل من الترابط الاسرى كما كشف الاستطلاع أن 89% من الشباب يوافقون على وضع قانون يتحكم فى محتويات الانترنت.
وبالنسبة لرأى الشباب فى المدونات ، أظهر 58% منهم أنهم سمعوا عن المدونات من خلال الاهل والاصدقاء وأن 37% منهم سمعوا عنها لاول مرة منذ أقل من 6 أشهر ، كما أن كل ثلاثة أفراد من الشباب بالعينة لديهم مدونات خاصة بهم.
وفيما يتعلق بمتوسط عدد ساعات استخدام الشباب للانترنت أوضح الاستطلاع أن 50% من الشباب بالعينة يستخدمون الانترنت سواء بشكل يومى أو اسبوعى ومتوسط استخدامهم له أقل من عشر ساعات ، كما أن 20% منهم متوسط استخدامهم الاسبوعى يتراوح بين 10 إلى أقل من 20 ساعة.
يشار إلى أن نتائج الاستطلاع تعتمد على بيانات المبحوثين من الشباب من سن 18 إلى 35 عاما وقد تم استطلاع 1338 مبحوثا.
جدير بالذكر أن عدد مستخدمى الانترنت ارتفع من 65ر0 مليون نسمة عام 2000 إلى 17ر9 مليون نسمة عام 2008.

Araka ny fanadihadiana nataon'ny Ivontoerana Egyptiana momba ny Fampahalalam-baovao sy ny Fanampiana amin'ny Fanapahan-kevitry ny Governemanta momba ny fampiasan'ny tanora ny aterineto any Egypta dia:
74% -n'ireo olona nanontaniana no mampiasa ny Aterineto mba hanarahana vaovao tsindraindray na matetika.
68% no mampiasa izany mba hakana hira, sarimihetsika, andian-tantara na lalao tsindraindray na matetika.
58% -n'ireo tanora Egyptiana no mampiasa ny solosaina ary 36% no manana ny solosainy manokana any an-trano.
52% -n'ireo mpampiasa solosaina no mahay mampiasa ny Aterineto.
98% -n'ireo nanontaniana no mihevitra fa ahafahana mijery vaovao betsaka ny Aterineto ary mifandray amin'ny tontolo izy ireo ankehitriny.
82% -n'ny mpisera aterineto no miahiahy momba ny fifandraisana azo avy amin'ny tambajotra.
72% no mihevitra fa misy fiantraikany ratsy eo amin'izy ireo ny Aterineto.
71% no mihevitra fa mampidi-doza ho an'ny ankizy ny aterineto.
43% no mihevitra fa misy fiantraikany ratsy eo amin'ny fifandraisan'ny fianakaviana ny aterineto.
89% no manohana ny hevitry ny lalàna mba hifehezana sy hanivanana ny votoatin'ny Aterineto.
58% no nandre momba ny bilaogy avy amin'ny fianakaviany na ny namany
37% no sambany nandre momba ny bilaogy tao anatin'ny enim-bolana farany.
Ny iray tamin'ireo olona nanontaniana telo no manana ny bilaoginy manokana.
50% no mampiasa ny Aterineto isan'andro ary latsaky ny 10 ora isan'andro ny ora laniany antserasera .
20% no mampiasa ny Aterineto isan-kerinandro ary 10 ka hatramin'ny 20 ora ny ora laniany antserasera .
Tanora Egyptiana 18 ka hatramin'ny 35 taona miisa 1.338 no nanaovana ny fanadihadiana. Tsara ihany koa ny manamarika fa niakatra ho 9.170.000 tamin'ny taona 2008 ny isan'ireo mpisera aterineto ao Egypta raha 650.000 izany tamin'ny 2000 .

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.