May  Ny “Al Ghad” Tao Egypta

(Marihina fa tamin'ny 6 Novambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

May ny hariva talohan'ny fivoriambe saika ataon'izy ireo ny foiben'ny antoko Ayman Nour: Al Ghad (Antokon'ny Ampitso). Araka ny fitantaran'ireo bilaogera, nodoran'ny jiolahimboto ilay tranobe ary nanakatsakana ny ezak'ireo mpamono voina tamin'ny famonoana ny afo izy ireo.

Ankoatra ny fahaverezan'ny foiben-toerany,  noraofina ary nosamborina teo amin'ny toeran'ireo jiolahim-boto ihany koa ny 20 tamin'ireo mpikambana ao amin'ity antoko politika ity.

Hoy i Ahmed El Sabbagh:

Parmi ce que nous envions aux Américains : le fait qu’ ils réussissent à changer de Président tous les quatre ans, et Obama, qui a gagné les élections pas plus tard que hier. Au milieu de notre joie, nous avons eu la surprise d'assister à un nouvel épisode du spectacle comique égyptien,  qui s'appelait «Le parti Wafd en feu» et qui s'appelle maintenant «Le parti Al Ghadd en feu». Le premier spectacle, c'était les partisans de No'oman Goma'a contre ceux de Mahmoud Abaza . Le nouveau a pour vedettes les partisans d'Ayman Nour contre ceux de Mostafa Moussa. Le premier [spectacle] s'est terminé par un jugement du tribunal en faveur de Mo'oman Goma'a et le deuxième se conclura très probablement par la prise de contrôle du parti par Mostafa Moussa. Le rideau est tombé sur le premier spectacle avec l'incendie complet du parti, ce qui a mis fin à son rôle de chef de file de l'opposition. Aujourd'hui, nous avons assisté à la fin du parti d'opposition Al Ghadd tandis qu'il partait en fumée.

Au lieu de l'arrestation des vagabonds qui ont provoqué l'incendie, ce sont les adhérents et les dirigeants du parti qui ont été arrêtés, y compris Gameela Ismaïl, Wael Nawara, El Sayed Basyouni, Sameh Attia, Naglaa Fawzy, et une vingtaine d'adhérents.

On vous souhaite un bon week-end démocratique !

Anisan'ny hialonantsika ny Amerikanina ny fahavitany manova ny filohan'izy ireo isaky ny efa-taona, ary i Obama, izay nandresy tamin'ny fifidianana toy ny vao omaly. Ao anatin'ny hafalianay, gaga izahay nahita ny fizaran-tantara vaovao momba ny fampisehoana mahatsikaiky Egyptiana, izay antsoina hoe “May ny Antoko Wafd” ary antsoina hoe “May ny antoko Al Ghadd ” ankehitriny . Nahitana ny mpanohana an'i No'oman Goma'a manohitra ny mpanohana an'i Mahmoud Abaza ny fampisehoana voalohany. Ireo mpandray anjara malaza tamin'ny tantara vaovao dia ireo mpanohana an'i Ayman Nour mifampitana amin'ny mpanohana an'i Mostafa Moussa. Nifarana tamin'ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana tamin'ny fanohanana an'i  Mo'oman Goma'a ny [fampisehoana] voalohany, ary mety hiafara amin'ny fifehezan'i Mostafa Moussa ny antoko ny faharoa. Nikatona ny  lamba  tamin'ny fampisehoana voalohany tamin'ny fahamaizana tanteraka teo amin'ny antoko, izay namarana ny andraikiny ho mpitarika ny mpanohitra. Androany, nanatri-maso ny fiafaran'ny antoko mpanohitra Al Ghadd isika raha lasa setroka izany.

Raha tokony nisambotra ireo jiolahim-boto izay nahatonga ny afo izy ireo, dia ireo mpikambana sy mpitarika antoko indray no voasambotra, anisan'izany i Gameela Ismail, Wael Nawara, El Sayed Basyouni, Sameh Attia, Naglaa Fawzy, ary  mpikambana miisa 20 teo ho eo.

Mirary faran'ny herinandro demaokratika ho anao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.