Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Janoary, 2017
Atahorana ny Fahasalaman'i Nasser Bin Ghaith, Mpampianatra Ambony Emirati Arabo Mitambatra Gadraina, Hoy ny Vondrona Mpiaro Ny Zo
Notazonina tsy nahazoam-baovao nandritra ny sivy volana i Bin Ghaith ary tsy nahazo sakafo sy akanjo ara-dalàna. manahy ny fahasalamany ankehitriny ireo mpanohana azy.
Naseho Teo Anatrehan'ny Fitsarana Tampony ao Maoritania Ilay Bilaogera Efa Nomelohina Ho Faty Tamin'ny Voalohany
Tamin'ny taona 2014 , nosamborina sy nomelohina ho "nivadi-pinoana" i Ould Mkhaitir noho ny fanehoan-kevitra tamin'ny lahatsoratra iray niresahany ny rafitra fanavakavahan-tsaranga ao Maoritania .
Nahazo Sazy 42 Taona An-tranomaizina Ilay Mpanao Lalana Koesiana Taloha Noho Ny Sioka Nalefany ‘Manevateva An'i Arabia Saodita’
Mpitsikera an'i Arabia Saodita i Dashti, indrindra ny adin'i Arabia Saodita amin'i Yemen. Fantatra amin'ny fanohanany mampiadi-hevitra an'ilay mpanao didy jadona Syriana Bashar al-Assad ihany koa izy.
Mandroaka Sendikalista iray Malaza i Libanona, Mitsapa Ny Fanapahankevitr'ireo Mpiasa Mpifindra Monina
Mamoritra ireo mpikambana anaty sendikà tafiditra ao anatin'ny fikarakarana ny mpiasa mpifindra monina ao amin'ny firenena ireo tompon'andraikitra amin'ny fampiharana ny lalàna any Libanona ary mahatsapa ny tenany no voaporitra sy tsy manana safidy firy ireo mpiasa mafana fo.
Fandrarana ny Fivoahana Ivelan'ny Firenena no Amoretan'ny Manampahefana Ejipsiana ireo Mpikatroky ny Zon'olombelona
Nandritra ny roa taona farany ny governemanta no niasa nandrafitra ny rafi-dalàna hanitsakitsahana ny lalàm-panorenana. Tsy mba nahita izany izahay na dia tamin'ny fotoana nitondran'i Mubarak aza.
Manaratsy Ny Fiarahamonim-pirenena Ny Fanafihana Ireo Mpiaro ny Zon'olombelona — Sy Ny Fandrosoan'i Arabia Saodita
Ny famoretana mitohy ny fikatrohana am-pilaminana ao Arabia Saodita dia hoe fotsiny manorotoro ireo fianakaviana sy tsy manome ireo mpikatroka ny fahalalahany sy ny zony fototra, fa manaisotra ihany koa tsy ho ao amin'ny firenena ny asa sy ny fahaizana mamoronan'ireo reformista mamirapiratra sy manan-talenta ao aminy