Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2014

Tantara mikasika ny Iràka tamin'ny Jona, 2014

28 Jona 2014

Nanakoako Tao Bahrain Ny Fisososon'ny ISIS Ao Iraka

Niditra tao amin'ny Twitter ny manampahefana ambony ao amin'ny governemantan'i Bahrain mba haneho izay nosokajiana ho fanohanana ny fisosososon'ny Fanjakana Islamika ao Iraka sy Syria (ISIS), vondrona mpisintaka tao amin'ny fikambanana mpampihorohoro Al-Qaïda ao Iraka.

16 Jona 2014

Nosokafana Indray Ny Media Sosialy Ao Iràka, Fa Mety Hisy Ve Ny Ratsiratsy Kokoa?

"Jerena ho nesorina amin'izao fotoana izao ao Iràka ny fanakanana ny tambajotran-tserasera, ny atahorana dia ny fahavononan'ny governemanta hanapaka ny aterineto!," hoy ny siokan'i Mohamed Najem.

13 Jona 2014

Voafehin'ny Mpikomy Islamista Ny Tanànan'i Mosul, Tanàna Faharoa Lehibe Indrindra Ao Iràka

Eo am-pelatanan'ireo mpikomy Islamista ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao Iràka antsoina hoe Mosul nanomboka tamin'ny 10 Jiona. Nilaza ny vaovao fa avy amin'ny Fanjakana Islamika ao Irak sy Syria (ISIS) ireo mpikomy.