Tantara mikasika ny Iràka tamin'ny Desambra, 2008
George Bush sy Iràka: Ilay Toraka Kiraro
Ho fotoana iray manandanja amin'ny tantara izy ity? Ho avy ve ny andro na ny taona hitantaranao fa izaho, Montather Al-Zeidi, mpanao gazety Irakiana, dia hitantara amin'ny zafikeliko fa efa notorahiko ny kiraroko ny filohan'i Etazonia? Ho ahy moa dia nandeha nampatory ny zanako aho ny nikiry niantso ahy ny raiko fa tokony hamelona ny fahitalavitra avy hatrany aho. Saiky sahalahala amin'izany avokoa ny soratra voalohany nataon'ny mpamaham-bolongana Irakiana indray, rehefa natoritory am-bolana vitsivitsy izay, mba hilazany ny heviny fotsiny.
Iràka: Tsy Amin'ny Eid na Fotoana Hafa Manokana Mihitsy ny Saina
Eo ampanamarihana ny Eid Al Adha, amin'izao fotoana izao ny Miozolomana manerantany, fetim-pivavahana izay manamarika ny faneken'i Abrahama hanao sorona ny zanany (naotin'ny mpandika teny malagasy: Ismaela io ho an'ny...
Ezypta: Antso ho fahatsiarovana an'i Saddam Hussein
Amin'izao tsingerintaona faharoa namonoana ny filoha Irakiana teo aloha Saddam Hussein izao, ary noho ny fiaraha-mientan'ny fiaraha-monina Irakiana any Kairo, dia niantso hanao hahatsiarovana ny Filoha irakiana teo aloha ny...
Ezypta: Nandà ny hihaona amin'ny filoha Bush i Wael Abbas
Mpamaham-bolongana Ezypsiana iray antsoina hoe Wael Abbas no nilaza tao amin'ny bolongany fa nolaviny ny fanasana hihaonana amin'ny (filoha Amerikana George Herbert Walker) Bush. Nandika ny lahatsorany avy amin'ny teny arabo i Marwa Rakha.