Mandeha ny tatitra an-tserasera momba ny fisokafana amin'ny ampahany ny tambajotran-tserasera sy ny tranonkala manernaa an'i Iràka.
Nitatitra [mg] ny Global Voices Advocacy omaly fa nanome baiko ireo orinasan-tservisin'aterineto omaly (14 jona) ny minisitera irakiana misahna ny serasera hanakatona ny Facebook, Twitter ary ny YouTube, ankoatra ireo habaka hafa, sy ny servisy tahaka ny Skype, sy ny servisim-pifandraisana an-tserasera amin'ny resaka (feo) tahaka ny Viber sy ny WhatsApp.
Minitra maromaro lasa izay no nitatitra ny Irakiana blaogera Hamzoz [ar]:
شركة الجزيرة نت للأنترنيت رفعت الحجب عن المواقع والتطبيقات ولكن شركة #ايرثلينك وهي الاكبر لم ترفعه لغاية الآن ومازالت تحجب #insm_iq #العراق
— Iraqi Blogger (@Hamzoz) June 14, 2014
Nanaisotra ny fanakatonana ny habaka sy ny fampiharana ny Jazeera Net, saingy tsy mbola nanao izany kosa fa manohy amin'ny fanakatonana ireo habaka ny Earthlink, orinasan-tservisy aterineto lehibe indrindra
Saingy nampitandrina ny Libaney mpikatroka Mohamad Najem :
Apparently blockage of social media sites were removed now in #Iraq, the fear is that the Gov is getting ready 2 cut the Internet! #insm_iq — Mohamad محمد (@MoNajem) June 14, 2014
Jerena ho nesorina amin'izao fotoana izao ao Iràka ny fanakanana ny tambajotran-tserasera, ny atahorana dia ny fahavononan'ny governemanta hanapaka ny aterineto!
Araka ny nambaran'ny mpanoratra gazety Martin Chulov, dia nosakanana ny Facebook hampitsaharana ny mpikamban'ny Fitondrana Islamika ao Iràka sy Siria, izay miady ao Iràka amin'izao fotoana izao, “tsy handamina sy hanetsika” ny olona.
Fanazavana hafa avy amin'ny Minisiteran'ny Serasera, izay namoaka hafatra omaly, tao amin'ny pejy Facebook-ny fa fa ny anton'ny fanakatonana aterineto tsikelikely manerana an'i Iràka amin'ny 15 jona dia ho “fikojakojana ny hosina.” Tsy mazava moa raha mifandray amin'izany drafitra izany na tsia ny fanakatonana.