Nandrava hetsi-panoherana am-pilaminana nanoherana ny fampiasana tsy ara-dalàna ny tanim-bahoaka natao tao afovoan'i Zagreb ny mpitandro ny filaminana Kroaty omaly maraina ary nisambotra sivily mafana fo 11 raha kely. Ny teny famantarana ny lalambe #Varsavska ao amin'ny Twitter no loharanom-baovao haingana sy ahafahana mahita ireo sary.
Ireo fikambanana sivily Right to the City sy Green Action dia nanohana ny fifamoivoizana amin'ny araben'ny Varšavska [= Warsaw] efa am-bolana maro izao mba hisorohana ny famotehana ity tanim-bahoaka ity — lalan'ny mpandeha an-tongotra — hanamboarana làlana mankany amin'ny fametrahana fiara ambanin'ny tany an'ny foibem-pombam-piainana tsy miankina [CRO] ao afovoan'i Zagreb. Ny asan'izy ireo dia tohanan'ireo mponina an'arivony izay nandray anjara tamin'ireo fanoherana maro, sy ireo hetsika ara-kolotsaina nokarakaraina teo amin'io toerana iadiana io.
Io maraina io ny mpitandro filaminana dia nisambotra ny vondrona mpitarika ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanomezan-dàlana ireo mpiasa hanapaka ireo hazo “tsy ilaina” amin'ity lalan'ny mpandeha tongotra ity. Ni-tweet [CRO] ny mpandray anjara iray tamin'ny fanoherana, tmedak :
Vaovao farany amin'ny kamion'ny mpitandro filaminana: olona 11 voasambotra noho ny fanoherana #Varsavska
Namoaka sarin'ny mpitandro filaminana fotoana fohy talohan'ny nanombohan-dry zareo ny “famoretana” ihany koa izy. Ireo mpandray anjara sy ireo vavolombelona hafa kosa nampiasa antso an-tariby, Twitter, Twitpic ary yFrog hizarana mivantana ireo vaovao sy ireo sarin'ity zava-nitranga ity.
Ny mpampiasa Twitter topssy dia nandrakitra ity zava-niseho ity tamin'ny alalan'ireo sary:
- filaharan’ireo mpanao fihetsiketsehana izay nanakana ny fifamoivoizana teo amin'ireo arabe manodidina
- Fiforonan'ny filaharan'ny mpitandro filaminana, sy ireo fiomanana
- fanaraha-maso ny eny an-toerana
- mpitandro filaminana mananatra ireo mpanohitra fa “ny fanakanana ny asan'ny mpitandro filaminana dia fandikan-dalàna”
- ary ny fizotry ny fisamborana
Infopunkt dia namoaka horonantsarin'ity zava-nitranga ity tamin'ny YouTube
Ny mpampiasa Twitter iray krunovidic dia nanolotra [CRO] ny fampiasan-kery voafantina tamin'ity tranga ity:
Miandry ny mpitandro filaminana hanao toy izany amin'ireo mpamboly aho rehefa mibahana ny lalana amin'ny manaraka izy ireo, ary hampiasa ireo fomba tahaka ny nataony tamin'ny mpiasan'ny #Varsavska
Ny mpitoraka blaogy Masedoniana Andrej koa dia nampita ireo vaovao [MKD] ary manome rohy mankany amin'ny horonantsary mivantana [CRO] izay atao ohatra amin'ny tokony hiadian'ireo olom-pirenena ho an'ny zon'izy ireo.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...