Tantara mikasika ny Paortigey
Feo any Angola sy Brezila manohana an'i Paortiogaly amin'ny Euro
Manohana an'i Portiogaly ho mpandresy ny hira noforonin'ilay mpiangaly mozika David Carreira niaraka tamin'ireo Breziliana Ludmilla sy Giulia Be ary ilay Angoley Preto Show.
Niteraka fihetsiketsehana ny fankatoavana ny tombontsoa ho an'ny mpiasan'ny antenimieran'ny Repoblika any Mozambika
Tsy misitraka tombontsoa mitovy amin'izany ireo mpiasam-panjakana Mozambikana hafa.
Naaton'ny fanjakana ao Angola ny fandaharan'ny TV Record
Nanamafy ny Minisiteran'ny Serasera fa nampiato ilay orinasam-pahitalavitra Breziliana izy noho ny antony maha-"tsy teratany" ny tale mpanatanteraka, ary nilaza fa tsy nahazo fankatoavana ara-dalàna ireo mpanao gazety vahiny.
Fantaro i Beatriz Gomes Dias, mpampianatra izay mety ho vehivavy mainty hoditra voalohany hitondra an'i Lisboa
Voafidy hitarika ny lisitry ny Tambatra Havia amin'ny fifidianana ao an-toerana any Lisbonne, kasaina hatao amin'ny faran'ny taona ity i Beatriz Gomes Dias, mpikambana ao amin'ny parlemanta amin'izao fotoana izao.
Am-polony no maty ary nafindra toerana ny mponina tao an-tanàna tamin'ny fanafihana vaovao nitranga tany Cabo Delgado, Mozambika
Teo akaikin'ny toerana fanodinana etona voajanahary lehibe indrindra ao Afrika no nipoahan'ny zava-nitranga ary mbola mitohy ny fifampitifirana eo amin'ny miaramila sy ny milisy.
Voaisotra ho tsy heloka intsony ny fiarahan'ny samy lehilahy na samy vehivavy any Angola amin'ny lalàna famaizana vaovao
Nolaniana tamin'ny taona 2019 ny lalàna vaovao saingy tamin'ny volana Novambra 2020 vao nankatoavina ary ny fehezan-dalàna famaizana tamin'ny taona 1886 nandritra ny fanjanahan-tany Portiogey no nosoloin'izany.
Namela heloka ny lehilahy roa naniratsira azy tamina horonantsary niparitaka be ny filoha Mozambikana
Nosamborina ny iray tamin'izy ireo ary niteraka resabe tao amin'ny tambajotra sosialy ilay raharaha.
Tezitra ny Angoley taorian'ny famonoana mpanao fihetsiketsehana nandritra ny hetsika ho an'ny fizakàntena
Nilaza ny hetsika mitaky ny fizakantena ho an'ny antsasany atsinanan'i Angola fa nitifitra tsy ankanavaka ireo mpanao fihetsiketsehana nanatrika ny hetsika tao amin'ny tanànakely fitrandrahana tao Cafunfo tamin'ny 30 Janoary ny polisy.
Nikasa ny handroaka ilay mpanao gazety vahiny i Mozambika
Tom Bower no mpanorina ny tranonkalam-baovao Zitamar News, izay noderaina noho ny fitantarany momba ny ady mitam-piadiana tao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado tato anatin'ny taona vitsy lasa.
Naverina indray ny lalao football mozambikana ary vehivavy avokoa ny mpitsara telo tamin'ny fisantarana izany
Niverina holalaovina tamin'ny 16 janoary indray ny fifaninanam-pirenena ho tompondakan'i Mozambika amin'ny sehatra matihanina amin'ny football, izay fantatra amin'ny anarana hoe Moçambola rehefa niato nandritra ny 10 volana noho ny valan'aretina COVID-19.