Tantara mikasika ny Paortigey tamin'ny Jona, 2014
Fortaleza, Brezila : Tantara Roa Momba Ny Fiadiana Ny Amboara Erantany
Mialoha ny fifanandrinan'i Brezila sy Meksika dia feno ireo mpanohitra ny FIFA sy ny governemanta ary ireo mpomba an'i Meksika miaraka amin'ny hetsika mafana ny làlana.
Didim-pitsarana Manatantara Mampanatrika An'i Brezila Ny Laza Ratsiny Fahiny
Telo amby efa-polo taona taty aoriana, manamboninahitra dimy misotro ronono no tsy maintsy nanazava tao amin'ny fitsarana ny fampijaliana, fanjavonana ary fahafatesan'ny solombavambahoaka Rubens Paiva.
Miantso Anao Hamàrana Ny Fitsaratsaram-poana Miendrika Fanavahana Any Anaty Media ity Manampahaizana Santomeana ity
I Grada Kilomba, manam-pahaizana manokana ny amin'ny fandalinana ny resaka fiaviana ao amin'ny Oniversiten'i Humboldt , any Berlin, miresaka ny hoe ahoana ny tokony hataon'ireo haino aman-jery izay manampy amin'ny fanamafisana ny hevitra raiki-tampisaka momba ny fiaviana, mba hanamboarany indray doko amin'ny lafiny tsara.
Mampiasa Twitter ito Breziliana ito Mba Hanehoana Ny Fahasiahana Sy Ny Fanavakavahana Ataon'ny Mpampiasa An'ireo Mpiasa An-Tranony
Asehon'ny kaonty A Minha Empregada (Ny mpiasa an-tranoko), amin'ny alalan'ny hafatra fohy miisa 111 ny zavatra ratsy amin'ny lafiny ara-tsosialy atao amin'ny hafa, ny fanavakavahana ary ny tsy fahaizana manakatra ny fihetseham-pon'ny hafa miseho eo amin'ny fiarahamonina Breziliana, indrindra ny toetra manoloana ireo mpiasa an-trano izany.