· Febroary, 2013

Below are posts about citizen media in Portuguese. Don't miss Global Voices em Português, where Global Voices posts are translated into Portuguese! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Paortigey tamin'ny Febroary, 2013

Naàton'ny Fitsarana Braziliana Ilay Taratasy Fanesorana Ireo Vazimba Teratany Tao Guarani-Kaiowá

  23 Febroary 2013

Nahazo fanohanana goavana tamin'ilay tolona natao hanoherana ny fanalàna azy ireo tamin'ny taniny ilay fanentanana faobe tanaty aterineto izay valin'ilay antso nataon'ireo vazimba teratany ao Guaraní-Kaiowá tao Pyelito Kue ao Mato Grosso do Sul dia. Ny faran'ny volana Oktobra 2012 lasa teo,nanapa-kevitra ny fitsarana ao Brazila ny hanafoana ilay didy fanesoràna azy ireo amin'ny taniny. Na dia izany aza anefa,mbola mitohy ny tolona mandra-panamarika mazava tsara ny faritry ny tanin'izy ireo.

Mifanome Tànana Ny Fisavoritahana Sy Ny Horohoro Ao Guinée-Bissau

  10 Febroary 2013

Raha mbola mifantoka any amin'ny faritra iray hafa amin'i Afrika Andrefana ny sain'izao tontolo izao, ny olom-pirenen'i Guinée-Bissau, firenena kely iray mikorontana kosa, dia mitolona hitondra ny zava-misy momba ny zon'olombelona ho ao an-tsain'ny any amin'ny faritra sy ny iraisam-pirenena. Namoaka tatitra iray mavesa-danja [pdf] ny Ligy Gineana momba ny Zon'olombelona, mikasika ny zava-misy ankehitriny momba ny zon'olombelona, tena dobok'amponga gavana ho an'ireo izay mihevitra ny fahanginana misy dia midika fa mandeha tsara ny zavatra rehetra ao amin'ilay firenena

Tamin'ny Aterineto No Nananganana ny Firaisankina Nanoloana Ny Voina Nitranga Tao Atsimon'i Brezila

  05 Febroary 2013

Tao an-tanànan'i Santa Maria, ny fahamaizan'ny trano fandihizana Kiss no namarana ny fiainana sy ny nofinofin'ny tanora mihoatra ny 230. Nampiasaina ny tambajotra sosialy hanangonam-baovao tamin'izay nitranga sy hitadiavana fanampiana ho an'ireo niharam-boina. 90 amin'ireo trano 150 koa no levon'ny afo tao Vila Liberdade. 50 raha kely indrindra no rava tanteraka. Nihanaka haingana hamonjena ireo niharam-boinan'i Vila Liberdade ilay fanehoa-piraisankina tamin'izay nitranga tao Santa Maria.

Nessa Geudes bilaogera Breziliana, Garota Coca-cola

  01 Febroary 2013

[Amin'ny teny portiogey avokoa ny rohy rehetra ankoatra izay marihana manokana] Miara-miasa mba hifampizara ny feon'ireo bilaogera efa an'arivony sy olo-pirenena tia mitati-baovao miaina eran'izao tontolo izao ny GVO (Global Voices Online). Indraindray anefa, misy mahaliana amin'ireo bilaogera ireo ka mitarika anay hitodika any. Amin'ny tafatafa manaraka etoana, andeha ho...

Ireo pejinay momba an i Paortigey

pt