Feo any Angola sy Brezila manohana an'i Paortiogaly amin'ny Euro

 

Dans les rues de Porto, plusieurs personnes agitent des drapeaux dont celui du Portugal et de l'Angola.

Pikantsary avy amin'ny horonantsary “Manome ny zava-drehetra izahay” (Vamos com Tudo) tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Federasion'ny baolina kitra Portiogey.

Nanomboka ny 11 Jona, nampiantrano ny fifaninanana baolina kitra heverina ho iray amin'ireo lehibe indrindra ho an'ny ekipa ny kaontinanta Eoropeana taorian'ny fiadiana ny amboara erantanin'ny Klioba [FIFA].

Nahemotra tamin'ny taona 2020 noho ny valan'aretina COVID-19, atao amin'ity taona ity hatramin'ny 11 Jolay any amin'ny tanàndehibe maro any Eoropa ny Euro.

Mandray anjara indray i Paortiogaly amin'ny maha tompondaka azy, miaraka amin'ny fanantenana ny hamerina ny zava-bita tamin'ny taona 2016, rehefa nandresy an'i Frantsa.

Ho fanamarihana ny fiverenana amin'ny fifaninanana eo amin'ny ekipa dia nisy ny hira noraketina mitondra ny lohateny hoe “Manome ny zava-drehetra izahay” (Vamos Com Tudo), ahitana ny fandraisan'ny mpanakanto avy any Portiogaly, Brezila ary Angola anjara. Efa nisy mpijery mihoatra ny iray tapitrisa sahady ilay horonantsary ao amin'ny YouTube.

David Carreira, mpanakanto Paortiogey, no namorona ny hira tamin'ny fomba ofisialy, izay ahitana ihany koa an'i Ludmilla sy Giulia Be (Brezila) ary Preto Show (Angola). Naneho ny fanohanany ireo mpanakanto telo ireo mba hivoahan'i Portiogaly ho mpandresy indray amin'ny baolina kitra Euro.

Manasongadina ny fifandraisan'ny firenena miteny Paortiogey sy ny fankalazana iraisana eo amin'ireo firenena ireo amin'ny fanantenana ny fandresen'i Paortiogaly ity hira ity:

Deixa o mundo saber que agora somos só um…

Que não existe impossível debaixo desse céu azul…

Tá no sangue, na língua, na pele, no coração…

Ampahafantaro an'izao tontolo izao fa iray isika izao
fa tsy misy izany tsy azo tanterahana izany eto ambanin'ity lanitra manga ity
Ao anaty ràntsika, ao am-bavantsika, anatintsika, am-pontsika

Nandefa hafatra tao amin'ny kaontiny Instagram i Preto Show mba hanehoana ny fireharehany ho mpanakanto tokana miteny Paortiogey misolo tena an'i Afrika izay nasaina mba handray anjara amin'ity hira ity.

 

Voir cette publication sur Instagram

 

Une publication partagée par Rock star ? ?? (@preto__show)

Tsiahivina fa tsy kisendrasendra no nivoahan'ity hira ity, satria fantatra fa mbola manana ny lanjany lehibe tokoa any amin'ireo firenena Afrikana miteny Paortiogey ny baolina kitra any Paortiogaly.

Ohatra, nankalazain'ny mpanohana azy tany Maputo (Mozambika)  ny fandresen'ny Sporting, klioban'i Lisbon izay nibata ny tompondaka nasionaly taona 2021.

Ho valin'izay, ny klioban'ny Sporting ihany no nitarika fanentanana firaisankina ho fanohanana ireo olona nafindra toerana nandritra ny ady [mg] mitam-piadiana tany Cabo Delgado, avaratr'i Mozambika.

Miditra an-kianja izahay androany miaraka amin'ny “Campo Delgado” misoratra ao ambadiky ny akanjon'ireo mpilalao ho solon'ny anarany.

Ny hanairana sy hanentanana ny tsirairay amin'ny zava-mitranga izay niantraika tamin'ity faritr'i Mozambika ity no tanjona.

Maneho ny fifandraisana misy eo amin'ny Angola, Brezila ary Paortiogaly ilay hira niara-notontosain'ireo mpanakanto miteny Paortiogey – hita mazava izany eo amin'ny kolontsaina fa ihany koa amin'ny fanatanjahantena. Teo anelanelan'ny taona 2001 sy 2008, nanazatra ny klioba Paortiogey ilay mpanazatra ara-teknika Breziliana Luiz Felipe Scolari  ary laharana faharoa tamin'ny tompon-dakan'ny Euro 2004 izy ireo, ary tafakatra ampahefa-dàlana tamin'ny fiadiana ny amboara eran-tany 2006.

Tao anatin'izay taona faramparany izay dia marihina ihany koa fa nitana toerana lehibe teo amin'ny baolina kitra Breziliana ny mpanazatra Paortiogey. Nasehon'ilay [mpanazatra] an'i Lisbon Jorge Jesus ny ohatra tsara indrindra tamin'izany. Tamin'ny taona 2019, tsy nandresy fotsiny tamin'ny Copa Libertadores ihany i Jesus, fa tamin'ny tompon-daka Breziliana ihany koa amin'ny maha-mpanazatra ny klioba Flamengo azy.

Nahazoana tombony tamin'ny fanehoana ireo firenena miteny Paortiogey ireo ny fandresen'i Paortiogaly tamin'ny Euro, mariky ny firaisankina eo amin'ireo firenena ireo, araka ny filazan'ny mpanakanto ato amin'ity hira ity hoe “Tafaray amin'ny hira iray”.

Ankehitriny, fantatra fa olona mihoatra ny 280 tapitrisa no miteny Paortiogey manerantany. Antsoina hoe Vondro-pirenena miteny Portiogey (CPLP, Comunidade dos Países de Língua Portuguesa), ahitana an'i Angola, Brazil, Cap Vert, Guinea-Bissau, Mozambika, Portiogaly ary São Tomé sy Principe ny vondron'ireo firenena miteny Portiogey ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.