Tantara mikasika ny Paortigey tamin'ny Oktobra, 2016
Mpiaro Ny Tontolo Iainana Iray Hafa Maty Nisy Namono Tao Amazônia
Mpamono olona anankiroa, nitaingina môtô, no namono nahafaty an'i Luís Alberto Araújo, 54 taona, Sekreteran'ny Tontolo Iainana ao Altamira, fanjakan'i Pará tamin'ny alakamisy 13 oktobra lasa teo.
Fahaiza-mitantana Eto Afrika: Cap Vert No Tsara Indrindra, Angola No Ratsy Indrindra
Navoaka tao Londra tamin'ny 3 Aogositra ny "Tondro Mo Ibrahim", izay nampiseho vokatra tena nifanipaka amin'ireo ireo firenena miteny Paortiogey amin'ny fomba Ofisialy (PALOP) amin'ny resaka "fahaiza-mitantana". I Cap-Vert no mbola mitana ny laharana voalohany raha midina hatrany kosa ny laharan'i Angola.
Voafidy Ho Filohan'ny Cap Vert Indray I Jorge Carlos Fonseca
Nandresy ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Cap Vert i Jorge Carlos Fonseca tamin'ny taha 74% izay manavao indray mandritra ny dimy taona ny fe-potoana hitondrany.
Tian'ny Parlemantan'ny Tanora Ovaina ny Anaran'ny Seranam-Piaramanidina Iraisampirenena ao Maputo
Ny Parlemantan'ny Tanora, fikambanana mametraka ny tahoran'i Mozambika ho laharam-pahamehana, no tompon-kevitra te-hanome anarana Samora Machel, filoha voalohany ao amin'ny firenena, ny Seranam-Piaramanidina Iraisampirenen'i Maputo. Mitady sonia roa arivo ny fanangonan-tsonia ho amin'izany.