Niteraka fihetsiketsehana ny fankatoavana ny tombontsoa ho an'ny mpiasan'ny antenimieran'ny Repoblika any Mozambika

Nankatoa ny tombotsoan'ny parlemantera ny parlementa. Pikantsary: Televisão STV.

Tamin'ny 5 Mey, nanambara ny fankatoavana ny tombontsoa ho an'ny parlemantera ny Parlemanta Mozambikana , izay niteraka resabe tao amin'ny firenena satria efa nandritra ny roa taona izay no tsy nisy fanitsiana ny karama farany ambany indrindra.

Ahitana ny fandoavana ny saram-pialantsasatra sy vidin-tsakafo ary fanampiana amin'ny fividianana akanjo mihaja ny tombontsoa vaovao. Tsy misitraka ireo tombontsoa ireo ny mpiasam-panjakana Mozambikana hafa raha ny voalazan'ny Sata Mifehy ny Mpiasam-panjakana (EGFAE).

Manan-jo hifindra asa hafa tsy mila mandalo fanadinam-panjakana ihany koa ny mpiasam-panjakana ao amin'ny Antenimieran'ny Repoblika.

Notsikerain'ny Mozambikana marobe ny vaovao. Ny mpianatry ny oniversite sasany aza dia nanao fihetsiketsehana an-dalambe mihitsy, saingy nosakanan'ny polisy teo an-toerana:

Ilay toerana tiako hahatongavako vao maraina anio.
✊?✊?✊?✊?✊?✊?✊?

Miarahaba an'ireo tanora rehetra nidina an-dalambe hanao fihetsiketsehana

Ry firenena malala, handresy isika.

Nitarika ny fisamborana tovolahy iray izay navotsotra rehefa afaka ora vitsivitsy ny fihetsiketsehana, tranga izay niteraka hatezerana hafa tao amin'ny tambajotra sosialy:

Tsy vondron'olona voahilikilika nikasa hanimba ny orinasam-panjakana na tsy miankina amin'ny fanjakana.

Fa tanora nampiasa ny zony noho ny maha-olona azy ireo. Zo fototra ny zo hanao fihetsiketsehana.

Tamin'io andron'ny fihetsiketsehana io ihany, nisy fanangonan-tsonia natao ho an'ny daholobe nanaovana fitakiana tany amin'ny Parlemanta hanafoanana ny fankatoavana ireo tombontsoa ireo:

FILAZANA HO AN'NY HAINO VAKY JERY
FANANGONAN-TSONIA HANAFOANANA NY FANKATOAVANA NY ZO SY NY TOMBONTSOAN'NY MANAMPAHEFANA SY NY MPIASAM-PANJAKANA PARLEMANTERA
Talata 11 Mey 2021
9:30 maraina | Manoloana ny Antenimieran'ny Repoblika

Taorian'izay dia nanapa-kevitra hanemotra ny adihevitra momba ny sata vaovaon'ireo mpiasam-panjakana amin'ny daty tsy voafaritra ny Parlemanta Mozambikana.

Zava-dehibe ny manamarika fa tamin'ny herintaona, nandritra ny firongatry ny COVID-19 tany Mozambika dia nitsikera ny Antenimieran'ny Repoblika ihany koa ny vahoaka noho ny fankatoavana ny tetibola ahitana fandoavana “ampahambola iverenana amin'ny asa teo aloha” rehefa tapitra ny fe-potoana hiasan'izy ireo.

Tamin'ny taona 2014, nolaniana ny lalàna milaza ny fanomezana tombontsoa manokana ho an'ny Filohan'ny Repoblika sy ny solombavambahoaka rehefa tapitra ny fotoam-piasan'izy ireo, izay nitarika ny fanokafana pejy fanoherana tao amin'ny Facebook antsoina hoe “Solombavambahoaka be haingintraingitra.” Nivadika ho fihetsiketsehana an-dalambe ny hetsika tamin'izany fotoana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.