Tantara mikasika ny Paortigey tamin'ny Janoary, 2013
Mpanao Gazety Gineana Nanjavona Tampoka Tany Angola
Aiza i Milocas Pereira? Manako eran'ny tambajotra sosialy izany fanontaniana mikasika fanjavonana mpanao gazety sy mpampianatra amin'ny anjerimanontolon'ny tanànan'i Luanda, renivohitr'i Angola izany, toerana nipetrahany hatramin'ny 2004. Ety anaty aterineto, natomboka ny fanangonan-tsonia havantana ho amin'ny Kaomisiona Ambonin 'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona.
Niteraka Adihevitra Tao Brezila Ny ‘Fandehanana Vakansy Miaraka Amin'ny Mpitaiza Zaza’
Vanim-potoanan'ny fialan-tsasatra izao ao Brezila. Tsy mianatra ny mpianatra ary mitady fomba hampialàna voly azy ireo ny ray aman-dreny. Vao haingana, nandefa lahatsoratra mampahafantatra izay lazaina fa toro-hevitra tsotra ho an'ny fianakaviana mandeha vakansy miaraka amin'ireo mpitaiza zaza ny bilaogy [pt] iray Viajando com Filhos (Mandeha vakansy miaraka amin'ny mpitaiza zaza). Nanjary...
Fanakianana Ny Pasipaoro Diplaomatika Ho An'Ireo Solontea Ara-pinoana Ao Brezila
Vao haingana ny Minisitry ny Fifandraisana Amin'ny Any Ivelany no namoaka pasipaoro diplaomatika roa [pt] ho an'ireo pasitora mpitarika ny fiangonana evanjelika Igreja Mundial do Poder de Deus (Fiangonana Manerantanin'ny Fahefan'Andriamanitra), Valdemiro Santiago de Oliveira sy ny vadiny Franciléia de Castro Gomes de Oliveira, niteraka fifanakalozan-dresaka iray momba ny fahefan'ny andrim-panjakana sy ny fanitsakitsahana ny tena famaritana ny hoe tsy fironana amin'ny ara-pinoana (laika) voasoratra ao anatin'ny lalam-panorenana ao Brezila.
Ny Hasambarana Isan'Andro Isan'Andron'ireo Zokiolona
Fikambanana mpanatalenta portogey no niara-miasa mandravaka ireo famaritana ny mety atao hoe fahasambarana ho an'ireo zokiolona, natao endrika fanisanandro. Azo jerena ao amin'ny tranokala Felicidário ny fanisanandro an-tserasera.