Tantara mikasika ny Paortigey tamin'ny Jona, 2015
Brezila : Vokatry Ny Asa Ataon'ny Banky Iraisam-pirenena, Tsy Mahazo Rano Fisotro ireo Vondrom-piarahamonina Ao Sertão de Ceará (Ampahany 1)
Nafindra toerana tsy narahana fampiharana izay fepetra sy zo nofaritan'ny fitsipik'ilay fikambanana iraisam-pirenena akory ireo mponina voadona tamin'ny asa fanorenana ireo tohodrano novatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola. Fanadihadian'ny Agência Pública.
Hitan'ny Fanadihadiana Fa Maro Kokoa ny Eoropena Mifindra any Amerika Latinina Noho ny Mifanohitra Amin'izany
Asehon'ny tahirin-kevitra fa mihoatra ny 181.000 ny Eoropeana nandao ny fireneny tamin'ny 2012, raha ampitahaina amin'ny Amerikana Latinina 119.000 mandeha any Eoropa.
#SomosTodosLorena: Fihetsiky Ny Governemanta Manoloana Ny Fanavakavaham-bolokoditra Nitranga Tany An-tsekoly
Naresaka tao amin'ny tambajotra sosialy ny tantaran'ilay ankizy vavy 12 taona niharan'ny fanavakavaham-bolokoditra tany am-pianarana tao Brezila ary nahasarika ny sain'ny Vaomieran'ny Zon'olombelona sy ny Vitsy An'isa ao amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny minisitry ny Fampianarana ihany koa.
Tao Anatin'ny Horonan-dahatsary, Misaotra An'i Brezila Noho Ny Fandraisan'azy Ireo Ny Mpitsoa-ponenana
Araka ny tatitry ny Komitim-pirenena Breziliana hoan'ny Mpitsoa-ponenana (CONARE), olona 7.700 avy amin'ny firenena 81 no manana ny sata maha-mpitsoa-ponenana ara-dalàna, ka avy ao Syria, Kolombia, Angola ary ny Repoblika Demokratikan'i Congo ny ankamaroan'izy ireo.