Tantara mikasika ny Paortigey tamin'ny Septambra, 2018
Raha niezaka nampianatra ny Alemà momba ny Nazisma ny Breziliana sasany, ny hafa kosa niala tsiny tamim-pahamenarana
Nandritra ny taona vitsy lasa, nanjary malaza tany Brezila ny manamafy fa ankavia i Adolf Hitler sy ny antokony Nazi; Mifototra amin'ny zava-misy tsotra sy mazava ara-bakiteny ny hevitra fa ny dikan'ny anarana fenon'ny antokony dia hoe "Antoko Sosialista Nasionalin'ny Mpiasa. Ary ny "sosialista" dia mitovy amin'ny hoe ankavia, marina ve izany?
Nalahelo i Brezila satria lasa lavenona ny harena tranainy indrindra tao amin'ny Mozeam-pirenena
Vaky fo ny Breziliana tamin'ny alahady 3 septambra taorian'ny nahamaizan'ny Mozea Nasionaly, ny tranainy indrindra ao amin'ny firenena ary azo antoka fa mpiambina ny tantara voajanahary sy ny angona haiolona (antropolojia) lehibe indrindra ao Amerika Latina.