Niseho Teo Anatrehan'ny Fitsarana Emirà Arabo Mitambatra Ilay Mpanao Gazety Jordaniana Rehefa Niandry Herintaona Mahery

Tamin'ny volana Jona 2016, ny fanentanana ‘Ny Fahafahan'izy ireo no Zony’ izay miantso ho amin'ny famotsorana an'i Tayseer al-Najjar, any am-ponja any Emirà Arabo Mitambatra nanomboka tamin'ny volana Desambra 2015.

Niseho teo anatrehan'ny Fitsaran'ny Fiarovam-panjakana ao Abu Dhabi Emirà Arabo Mitambatra tamin'ny 1 Febroary  ihany Tayseer Al-Najjar, Jordaniana mpanao gazety, voatazona rehefa niandry ny fitsarana azy nandritra ny herintaona mahery. Nahemotra ho amin'ny 15 Febroary ny fitsarana noho ny fangatahan'ny  mpisolovavany.

Voampanga ho naniratsira ny fanjakana Emirati i Al-Najjar, tamin'ny lahatsoratra navoakany tamin'ny taona 2014 tao amin'ny Facebook, raha mbola nipetraka tany Jordania izy. Tao anatin'izany lahatsoratra izany i Najjar, dia voalaza fa nitsikera ny toeran'ny Emirati manoloana ny ady Israeliana tany Gaza tamin'ny taona 2014.

Eo ambanin'ny Lalànan'ny Heloka An-tserasera taona 2012 andininy faha-29 ao Emirà Arabo Mitambatra, ny famoahana fanambarana, toro-hevitra, vaovao na tsaho “miaraka amin'ny fikasana hanao esoeso na hanimba ny laza, voninahitra na ny satan'ny fanjakana, ny andrim-panjakany sy ny mpitondra ao aminy dia heloka saziana vonjimaika an-tranomaizina miaraka amin'ny onitra . Tsy noho ny fanenjehana fotsiny noho ny fanehoan-keviny, izay tsy mahazatra ao amin'ny firenena Emira Arabo Mitambatra no mampiahiahy momba ny raharaha mahakasika an'i Najjar, fa noho ny fanambaràna izay nataony talohan'ny nifindrany tao amin'ny firenena ihany koa mba hiasa ho mpanao gazety ara-kolontsaina ho an'ny gazety iray eo an-toerana .

Mpanoratra, mpanao gazety sady mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Gazety Jordaniana (JPA), niasa tao amin'ny sampana ara-kolontsaina tao amin'ny gazety Al-Dostour mivoaka isan'andro ao Jordania i al-Najjar. Tamin'ny Aprily 2015, nifindra tany Abu Dhabi izy izay nanombohany niasa ho mpitati-baovao ara-kolontsaina ho an'ny gazety al-Dar, izay sampan'ny foibe ara-Kolontsaina sy ny Fampitam-baovao Aljewa an'ny governemanta.

Notànan'ny manampahefana Emirà Arabo Mitambatra i Najjar tamin'ny Desambra 2015, taorian'ny nandraran'izy ireo azy saika hiondrana am-piaramanidina ho any Jordania tao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Abu Dhabi hitsidika ny fianakaviany. Notànana tsy nahazoana vaovao izy efa ho roa volana teo, ary nijanona tany am-ponja tsy nisy fitsarana nandritra ny herintaona mahery.

Fomba fanao mahazatra ao amin'ny firenena Emirà Arabo Mitambatra ny fampanjavonana ankaterena ireo mpikatroky ny zon'olombelona sy ireo maneho fotsiny ny heviny an-tserasera. Matetika no iharan'ny fitsarana lava sy tsy ara-drariny ireo voafonja noho ny fanehoan-keviny. Amin'ny raharaha iray hafa mitovy aminy,notànana any am-ponja nanomboka tamin'ny volana Aogositra 2015 noho ny sioka mitsikera an'i Egypta i Nasser Bin Ghaith, mpampianatra oniversitera, ary tsy nahazoam-baovao nandritra ny sivy volana. Nahemotra imbetsaka ny fitsarana azy.

Mety hifarana ny famonjana an'i Tayseer Najjar alohan'ny itsarana azy kanefa izao vao manomboka ny fitsarana, ary tsy misy mahalala ny fotoana amoahana ny didim-pitsarana momba ny raharahany, fa enga anie ka ho tafaraka amin'ireo fianakaviany sy havan-tiany indray izy.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.