Mampihena Ny Fahalalahan'ny Fampahalalam-baovao Ve i Tonizia?

Praiminisitra Toniziana Youssef Chahed miresaka amin'ny fampahalalam-baovao nandritra ny Fivoriambe momba ny Fampitoviam-penitra ny Fifandraisandavitra Manerantany 2016 natao tao Tonizia. Sary avy amin'ny ITU, nozaraina tao amin'ny Flickr, Lisansa Creative Commons.

Miatrika fiampangana ny governemanta Toniziana noho ny fampihenana ny fahazoam-baovao sy ny fahalalahan'ny media, amin'ny alalan'ny fandaminany ny vondrom-baovao sy ny fifandraisana ao amin'ny minisitera, sampan-draharaham-panjakana ary ny andrim-panjakana hafa.

Tamin'ny volana lasa, namoaka filazana laharana faha.4 tamin'ny 15 Janoary 2017 ny Praiminisitra Youssef Chahed, mangataka amin'ny mpiasam-panjakana mba tsy hiresaka amin'ny gazety ary tsy hamoaka vaovao ofisialy raha tsy mahazo fahazoan-dalana avy amin'ny lehiben'izy ireo:

Out of respect to the duties of civil servants in their relation with media outlets, as outlined in the code of conduct and ethics of the public servant, they [civil servants] are refrained from making statements or interventions, or disclosing official information or documents in the press or by any other means, related to their functions or to the public structures they work for without the preliminary and explicit authorization of their hierarchy

Ho fanajana ny andraikitry ny mpiasam-panjakana amin'ny fifandraisany amin'ny fampahalalam-baovao, araka ny voasoritra ao amin'ny fitsipi-pitondran-tena sy ny etikan'ny mpiasam-panjakana, ny mpiasam-panjakana dia voaràra tsy hanao fanambarana na firotsahana an-tsehatra, na hamoaka vaovao ofisialy na antontan-kevitra amin'ny gazety na amin'ny fitaovana hafa, mifandraika amin'ny asan'izy ireo na ny rafi-panjakana iasan'izy ireo raha tsy misy ny fahazoan-dalana mialoha sy mazava avy amin'ny lehiben'izy ireo

Ny filazana ihany koa dia mandràra ny mpiasam-panjakana tsy hanao fanambarana izay “manitsakitsaka ny tsiambaratelon'ny asa sy ny fiarovana ny tombontsoa ambonin'ny fanjakana”, manakana ny “famoahana vaovao ofisialy sy ny antontan-taratasy izay tokony na azo ampahafantarina ny vahoaka”, sy fanaovana “fanambarana diso sy mamitaka “momba ny asan'izy ireo sy ny andrim-panjakana iasan'izy ireo.

Raha ny marina, mifanaraka amin'ny fitsipika misy izay mandrindra ny fifandraisan'ny mpiasam-panjakana amin'ny haino aman-jery ny filazana. Ny didim-panjakana laharana faha-4030 tamin'ny 4 Oktobra 2014 momba ny fitsipi-pitondran-tena sy ny etikan'ny ny mpiasam-panjakana, ao amin'ny fizarana faha-2 amin'ny toko fahatelo dia efa mandràra ny mpiasam-panjakana mba tsy hanao fanambarana amin'ny haino aman-jery sy hamoaka vaovaom-panjakana tsy nahazoana alalana avy amin'ny lehiben'izy ireo na ny talen'ny andrim-panjakana iasan'izy ireo.

Tsy vitan'ny voakinan'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny firenena ihany ny famoahana ny filazana, fa nahazo tsikera henjana ihany koa ny fitsipika momba ny fitondran-tena ho an'ny mpiasam-panjakana, indrindra ireo fehezan-dalàna izay mandrindra ny asan'ny vondrom-pifandraisana sy ny vaovao ao amin'ny andrim-panjakana, sampan-draharaham-panjakana sy ny minisitera.

Tamin'ny 9 Febroary, namoaka fanambarana miantso ny governemanta mba “handinika indray ny didim-panjakana 4030 sy hanaisotra tsy misy hatak'andro ny filazana” ireo fikambanana miisa 15 ao an-toerana sy iraisam-pirenena, anisan'izany ny Sendika Nasionalin'ny Mpanao Gazety Toniziana, ny Ligy Toniziana miaro ny Zon'olombelona, ny Federasiona Iraisampirenena miaro ny Zon'Olombelona ary ireo fikambanana tsy miankina manandratra ny fahalalahana maneho hevitra Adininy faha- 19, Nanameloka izay sokajian'izy ireo fa “fampitomboam-pamerana atao amin'ny mpanao gazety, ny fikambanana fiarahamonim-pirenena sy ny olom-pirenena tsy hahazo vaovao avy amin'ny andrim-panjakana” ny fikambanana.

Ao anatin'ny fanovana demokratika, nahitana fandrosoana i Tonizia raha mikasika ny fahazoam-baovao. Tamin'ny taona 2016, nohamafisin'ny fandanian'ny parlemanta ny lalànan'ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao (Lalàna laharana faha-22 tamin'ny 24 Martsa 2016 momba ny fahazoam-baovao)  ny zo ara-dalàmpanorenana momba ny fahazoam-baovao. Miantoka ny fahazoam-baovao avy amin'ny sampam-panjakana ny lalàna, anisan'izany ny minisitera, ny fiadidian'ny filoha, ny fikambanana tsy miankina vatsian'ny fanjakana ara-bola, ny antenimiera, ny kaominina eo an-toerana, ny banky foibe ary ireo andrim-panjakana voalazan'ny lalàmpanorenana. Ahitana onitra ho an'ireo izay manohintohina ny fahazoam-baovao ny lalàna, ary mametraka vaomieran'ny fahazoam-baovao manapa-kevitra rehefa misy ny fampakaran-draharaha amin'ny fangatahana fahazoam-baovao.

Na izany aza, mbola voafetra ny fampiharana ny lalàna ary mbola tsy tafapetraka ny vaomieran’ ny fahazoam-baovao. Tsy mahagaga  raha nokianin'ny mpanao gazety sy ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena, izay efa tsy faly tamin'ny fihisaran'ny fampiharana ireo fanavaozana ara-dalàna ilay filazana navoakan'ny governemanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.