Bahrain: Nanamafy Ny Famoretana Haino Aman-jery Talohan'ny Tsingerintaonan'ny Hetsi-panoherana

Sary avy amin'ny fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpanao hetsi-panoherana tao Bahrain tamin'ny 5 Febroary 2015 . Sary avy amin'i Sayed Hashim. Fizakàmanana: Demotix
Vao mainka nanamafy ny famoretana ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao i Bahrain mialoha ny 14 Febroary tsingerintaonan'ny fikomiana, rehefa nahazo saina tamin'ny fikomiana tany Tonizia sy Ejipta, nidina an-dalambe, ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta, ary niantso ho an'ny fanavaozana ara-politika sy ny fitovian-jo ho an'ny mponina Shiita maro an'isa ao amin'ny firenena.
Tamin'ny 16 Janoary, nandràra ny famoaham-baovaon'ilay hany gazety tokana tsy miankina ao amin'ny firenena, al-Wasat ny governemanta, tsy “hampiasa fitaovana haino aman-jery elektronika“. Midika izany fa tsy ny ao amin'ny tranonkalany irery ihany no voarara tsy hamoaka ilay gazety, fa ny fisiany an-tserasera amin'ny alàlan'ireo fantsonà haino aman-jery sosialiny ihany koa. Manana mpanaraka miisa 229K ao amin'ny Twitter ilay gazety ary maherin'ny 354K ao amin'ny Facebook. Manana fantsona YouTube, sy kaonty Instagram ihany koa ilay gazety.
Maty tao amin'ny fonjakelin'ny Sampan-daharaha miantoka ny Filaminam-Pirenena tamin'ny Aprily 2011, ny mpiara-manorina ny Al-Wasat, Karim Al-Fakhrawi, taorian'ny fampijaliana azy. Niatrika fampiatoana toy izany ilay gazety mpiseho isanandro tamin'ny lasa. Tamin'ny 2010 dia voarara tsy handefa tatitra am-peo sy ireo tafatafa ao amin'ny tranonkalany izy, raha noterena kosa tamin'ny taona lasa hanakatona ny sampana fizarana lahatsary hatramin'ny volana Aogositra tamin'io taona io ihany.
Nibitsika ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao fa noraràny ilay gazety mpiseho isanandro noho ny famoahana miverimberina sy fandefasana fitaovana izay miteraka hantsana eo ami'ny fiarahamonina izay manimba ny firaisam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka”. Tsy mazava hoe inona ilay tondroin'ny ministera ho fitaovana, fa ireo mafana fo dia milaza fa angamba valin'ilay fandrakofam-baovao nataon'ny gazety (na tamin'ny aterineto na ivelan'ny aterineto) momba ny famonoana ho faty tamin'ny 15 Janoary ireo telo lahy voaheloka hp namono polisy telo taminà fanafihana tamin'ny baomba tamin'ny 2014 ilay fandraràna.
Nofaritan‘ireo vondrona Ankavanana ho tsy ara-drariny ny fitsarana ireo lehilahy, taorian'ny nanerena azy ireo hiaiky noho ny fampijaliana. Araka ny tatitry ny Foiben'ny Zon'olombelona any Bahrain:
ao amin'ny andiany natonta an-taratasy nivoaka ny 16 Janoary miaraka amin'ny lohateny lehibe, ny AlWasat no hany gazety ao Bahrain namoaka ny famonoana nitranga ny 15 Janoary. Nanasongadina ny sarin'ireo niharan'ny famonoana ny lahatsoratry ny AlWasat, miaraka amin'ny fomba fijerin'ireo fikambanana tsy miankina ao an-toerana sy ireo fikambanana tsy miankina iraisam-pirenena, ary ny tatitra momba ny fanehoankevitra nalaza teny an-dalambe.
Ao amin'ny fanjakan'ilay nosy misy mponina 1,2 tapitrisa, dia misy gadra politika maherin'ny 4.000 araka ny ny vinavina tamin'ny 2015 avy amin'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona .
Tanatin'ny zava-nitranga iray hafa, nanomboka tamin'ny 16 Janoary ny fitsarana an'i Nazeeha Saeed, masoivohon'ny Radio Monte Carlo Doualiya sy France24, taorian'ny nametrahan'ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao fitarainana namely azy ho “manao asa fanaovana gazety tsy misy fahazoandàlana”. Nangataka ny hanavaozana ny fahazoandàlany hifanaraka amin'ny vanim-potoana ankehitriny i Saeed, izay niharan'ny fampijaliana tao amin'ny fonjakelin'ny polisy tamin'ny 2011, saingy notsipahan'ny ministera ny fangatahany.
Araka ny Lalàna Bahraini momba ny Gazety (Lalàna 47/2002), tsy maintsy mahazo fahazoandàlana mila havaozina isantaona ireo solontenan'ny fampahalalam-baovao vahiny, mba ho afaka hanatanteraka ny asany. Raha tsy manao izany izy ireo, dia mandoa ny lamandy ambony indrindra 1000 dinara Bahraini (eo amin'ny 2600 Dolara Amerikana) izy ireo. Araka ny andininy faha 89 ao amin'ilay lalàna, ny Ministera no manana ny fahefana hanafoana ny fahazoandàlan'ny solontena vahiny iray noho ny namoahana vaovao izay “misy idiran'ny fanitarana, famokarana, famitahana ary fanolanana ny fahamarinana.” Tamin'ny taona lasa, nandà tsy hanavao ny fahazoandàlan'ny ankamaroan'ireo solontena vahiny ny Minisitera, anisan'izany ny mpanao gazety sady mpakasarin'ny Agence France-Presse, Mohammed Al-Shaikh, ny mpakasary sady mpanao gazetin'ny Associated Press, Jamali Hasan, mpanao gazetin'ny AP, Reem Khalifa, ary mpakasarin'ny Reuters, Aamer Mohammed.
Nipoaka ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy, taorian'ilay vono olona tamin'ny Alahady. Tanaty herinandro vitsivitsy monja tsy hahatongavan'ny tsingerintaonan'ny fikomiana tamin'ny 14 Febroary, mbola henjana ny toe-draharaha any Bahrain. Toa vonona hampangiana izay mety ho haino aman-jery sisa tavela ho tsy miankina ry zareo manampahefana ary koa ireo feo manakiana izay heverin'izy ireo fa mandrahona ny fitondrana eo an-toerana.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...