Mety Hiatrika 25 Taona An-tranomaizina Ilay Bilaogera Alzeriana Merzoug Touati Noho Ny Antsafa Nataony Tamin'ny Manampahefana Israeliana Tao Amin'ny YouTube

Mpitandro ny filaminana nifanandrina tamin'ny mpanao hetsi-panoherana tamin'ny korontana 2011 . Sary nozarain'i Magharebia tao amin'ny Flickr , nahazoana alàlana  Creative Commons .

Niampanga an'i Merzoug Touati, bilaogera, tamin'ny “fanomezam-baovao fitsikilovana ho an'ny firenen-kafa”, tao amin'ny lahatsarin'ny antsafa nalefa ho an'ny daholobe izay nifanaovany tamin'ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharahambahiny Isiraeliana ny manampahefana Alzeriana.

Nosamborin'ny Polisy tamin'ny 18 Janoary i Touati, ary nalainy ny solosaina sy ny fakantsariny, araka ny Ligy Alzeriana miaro ny Zon'Olombelona (LADDH) . Ny mpisolovavan'ny vondrona no nisolo tena an'i Touati tany amin'ny fitsarana.

Nilaza tamin'ny tranonkalam-baovao Alzeriana El-Watan ny mpisolovavan'ny LADDH Ikken Sofiane fa voampanga eo ambanin'ny Fehezan-dalàna famaizana andininy faha-71 i Touati , izay manome ny sazy an-tranomaizina hatramin'ny 20 taona ho an'izay rehetra voampanga ho nanao “fiseraserana miaraka amin'ny iraky ny mpitsikilon'ny firenenkafa izay mety hanimba ny tafika na ny diplaomasia ao Alzeria na ny tombontsoa iankinan'ny ain-dehibe ara-toekarena. “

Mety hiatrika sazy an-tranomaizina fanampiny 1 ka hatramin'ny 5 taona i Merzoug Touati noho ny “fandrisihana olona hanao hetsi-panoherana mitam-piadiana manohitra ny Fanjakana.” Mbola tsy voalaza ny daty hitsarana azy .

Merzoug Touati. Sary nozaraina tao amin'ny pejy Facebook-n'ny bilaoginy Alhogra

Tamin'ny 9 Janoary, namoaka lahatsary antsafa tao amin'ny YouTube sy tao amin'ny bilaoginy Alhogra i Touati izay nifanaovany tamin'i Hassan Kaabia, mpitondratenin'ny minisiteran'ny raharahambahiny Isiraeliana ho an'ny fampitam-baovao mpiteny Arabo . Nifantoka tamin'ny valintenin'ny vahoaka momba ny teti-bolam-panjakana taona 2017 ny antsafa, izay ahitana ny fitomboana amin'ny hetran'ny vola miditra, ny hetran-karama sy ny hetran'ny fananana mifaka, ary nahitana fihenana teo amin'ny fanampiana ara-bola amin'ny solika. Nipoaka  ny fitokonana sy ny korontana tany amin'ny faritany avaratr'i Bejaia sy tany amin'ny faritra hafa tao amin'ny firenena rehefa nanomboka nanan-kery tamin'ny 1 Janoary ny lalàna.

Niampanga ny fahefana avy any ivelany ho miditra amin'ny raharaha anatin'ny firenena sy nandrehitra hetsi-panoherana ny minisitra ao min'ny governemanta Alzeriana. Tao amin'ny antsafa, nanontany an'i Kaabia momba ny fiampangana nataon'ny governemanta Alzeriana i Touati . Nandà ny fitsabahana avy amin'ny Israeliana i Kaabia .

Nilaza tamin'i Touati ihany koa i Kaabia fa nisy ny “fifandraisana” teo amin'ny fitondram-panjakana Alzeriana sy ny fitondram-panjakana Isiraeliana talohan'ny taona 2000, saingy tsy afaka manamafy izy raha nampiantrano birao diplaomatika misolontena an'Isiraely teo aloha i Alzeria . Tsy mankatò na manana fifandraisana ara-diplaomatika amin'ny fomba ofisialy amin'Isiraely noho ny fibodoana ireo faritany Palestiniana i Alzeria sy ny governemanta ao amin'ny Ligy Arabo ankoatra an'i Egypta sy i Jordania . Na dia izany aza, nametraka zotra ny nampiatrano birao misolontena an'i Israely ny fitondram-panjakana sasany amin'izao fotoana izao na teo aloha. Tazonin'ny governemanta Arabo ho tsiambaratelo ny fifandraisana toy izany noho ny fanohanam-bahoaka ireo Palestiniana ao amin'ny faritra.

Ao amin'ny bilaoginy Alhogra, nanangom-baovao hatrany ireo fitokonana manohitra ny fifehezan-kibo sy ny hetsi-panoherana miompana amin'ny asa i Touati , ary ataony toy izany ihany koa ny fanakitsahana zon'olombelona ataon'ny manampahefana Alzeriana. Tamin'ny 22 Novambra, nandefa ny antsafa nifanaovana tamin'i Tilelli Bouhafs izy, manefa sazy telo taona an-tranomaizina ny rain'ity olona nifanaovany antsafa farany ity amin'izao fotoana izao noho ny fiampangana faniratsirana ny Islamo tao amin'ny lahatsorarany an-tserasera, antsoina hoe Slimane Bouhasf izany rainy izany.

Amin'izao fisamborana an'i Touati izao, manohy ny famoretana ireo mpitsikeran'ny governemanta sy ireo mampihatra am-pilaminana ny zony hiteny malalaka an-tserasera i Alzeria . Tamin'ny volana Desambra 2016, nahafaty ilay bilaogera Mohammad Tamalt izay tsy nahatsiaro tena rehefa avy nanao fitokonana tsy nihinan-kanina nandritra ny roa volana ho fanoherana ny fanagadrana azy noho ny famoahana tao amin'ny Facebook tononkalo mitsikera ny filoha Alzeriana Abdelaziz Bouteflika io fanentanana io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.