Lahatsoratra farany an'i Faniry Nicole tamin'ny Avrily, 2018
Ny Harenan'ny Iraniana Sy Ny Hevitr'I Ganji
Vao tsy ela akory no nitatitra ny Chicago Tribune fa nandà vavolombelona lehibe iray avy amin'ny Oniversiten'i Chicago ny mpitsara federaly Amerikana tamin'ny Fampiakarana fitsarana nataon'ireo olona sisa velona tamin'ilay fandarohana baomba nataon'ny Amerikana ny taona 1997 tany Jerosalema nikatsahana ny famarotana ireo zava-tsarobidy Iraniana (takelaka tranainy) tao amin'ny tahirin'ny Oniversite mba ho fanonerana amin'ny maha firenena mpiray tsikombakomba an'i Iran amin'ny asa fampihorohoroana.
Mandehandeha Any Ivelany Ilay Sainam-pirenena Voarara, Miloko Fotsy-Mena-Fotsy An'i Belarosia
Fanehoan-kevitra manoloana ilay saina ofisialin'i fanjakana Belarosia nanomboka ny taona 1991 ka hatramin'ny taona 1995. Taorian'ny fitsapankevi-bahoaka nisafotofoto ny 14 May 1995, nandrara azy io ny filoha Aleksandr Lukashenko ary namerina nanova ny saina Belarosia ho toy ny tamin'ny andron'ny Sovietika.
Fouad Al-Farhan : Mila Mandroso Isika
Na mino ny ho avin'ny blaogy aza i Al-Farhan, mbola tsy fantany hoe ho toy ny ahoana izany ho avy izany. "Mila mandroso isika"Hoy izy
Iran: Herisetra, Vehivavy Mpitandro Filaminana & Baolina Kitra
Tsy ny faharesentsika tamin'ny baolina kitra no tena loza fa ny fidarohana vehivavy ataon'ireo vehivavy mpitandro filaminana...
Hindi: Ny Tsy Fifohana Sigara Sy Ny Lavantinà Mpilalao “Cricket”
Mitatitra ny vaovao farany avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Hindi i Amit Gupta, isan'izany ny vaovao ratsy mikasika ireo lehilahy mpifoka sigara, ny vaovao tsara ho an'ireo mpankafy "Criket" ao Hyderabad, ary ny vaovao mamelom-panantenana mikasika ny famerana ny fiparitahan'ny SIDA.
Armenia : Tian’ny Blaogera Ny Haino Aman-jery – Tian’ny Haino Aman-jery Ny Blaogy , Fa Iza no Tena Tia Kokoa ?
Mikasika ilay fitiavana "mifamaly" eo amin’ny blaogera sy ny fampahalalam-baovao Armeniana , jereo ato ny taterin’ny gazety Ogostos [RU] mikasika ny ALM, Televiziona sokajian’ireo tanora nahita fianarana ao Armenia ho toy ny fahitalavitra mahamenatra izay toy ny misangisangy ny ijerena azy.
Ulises Padrón: “Ao Amin'ny Fiarahamonina [Kiobàna], Mihamiseho Ny Olona sy ny Vondrona LGBTQI”
"...[Na dia] ankasitrahan'ny firenena...karazan-jo manan-danja maro (ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny kolontsaina, ny asa) misy zavatra hafa izay tsy mandeha amin'izay laoniny anefa ao amin'ny firenena sy ao amin'ny faritra."
Voasivana, Kanefa Tsy Mihemotra : Milaza Ireo Mpiasan'ny Fampahalalam-baovao Ao Kiobà Fa Tsy Hanova Matoandahatsoratra

Voasivana tao Kiobà ny gazetiboky anaty aterneto "El Estornudo" ka nanoratra taratasy misokatra ireo tonian'ny famoaham-baovao tao aminy, izay azon'ny rehetra vakiana ihany koa any amin'ny filazam-baovao hafa ao amin'ny faritry ny nosy.
Japana : Fanehoankevitra Manoloana Ilay Lazaina Fa Fanolanàna Tao Okinawa
Nahatonga fiampangàna maro avy amin'ny mponina tao an-toerana, avy amin'ny politisiana, ary amin'ny governemanta sy ireo blaogera [ja] ilay vaovao tamin'ny herinandro farany teo izay nanambara fa nanolana mpianatra iray vao 14 taona monja tao Okinawa ilay "sergent" Tyrone Hadnott avy amin'ny "Marine" Amerikàna, nandrehitra ny hatezerana koa ny mbola fisian'ny toby miaramila Amerikana ao amin'ny Prefektiora farany atsimo ao Japana...Tetsy ankilany, tanaty bilaogy sy ny resaka tanaty aterineto, maro ireo Japoney no nanakiana ilay niharam-boina noho ny tsy fitandremana sy ny "famelàna" ilay fanolanana hitranga.