Lahatsoratra farany an'i Faniry Nicole tamin'ny Novambra, 2011
Qatar : Mizarazara Be Ny Hevitra Mikasika Ny Fivarotana Sakafo Misy Kisoa
Niely be ny vaovao tao Qatar fa azo vidiana ao amin'ny firenena amin'izao fotoana izao ny sakafo misy kisoa, na dia avy amin'ny orinasa mpanijara toka " Qatar Distribution Company" irery ihany aza, ary ho an'ireo manana fanomezan-dalàna hivarotra zava-pisotro misy alikaola irery ihany. Fanadihadian'i Omar Chatriwala.
Pays-Bas (Nederlandy): Vanim-potoanan'ny Fety, Fiakanjoana…Ary Fanavakavahana?
Taona vitsy lasa izay "Zwarte Piet" (Pete mainty ), ilay naman'i Saint Nicholas mainty hoditra nandritra ny fotoanan'ny ririnina tao Nederandy, dia lasa adihevitra be satria nisy ireo tezitra tamin'ny fiakanjon'izy ireo, isan'izany ny tarehy miloko mainty.
Yemen : Hanao Sonia Ny Fifanarahana GCC Izay Lavin'ny Tanora Ve I Saleh ?
Efa niandry am-paharetana 10 volana be izao ny Yemenita mba handraisan'ny filoha Ali Abdullah Saleh fanapahan-kevitra hiala. Ankehitriny, nilaza izy fa hanao sonia ilay fianarahana GCC izay mamindra ny fahefana any amin'ny lefiny. Naneho ny heviny momba ilay vaovao ireo mponina tao ambany tenifototra #No2GCCdeal tao amin'ny Twitter.
Ejipta : Fanaingan-tsoroka Revolisionera Tamin'ny Fametraham-pialanà Kabinetra
Ny Kabinetran'i Dokotera Essam Sharaf dia vao avy nanontany raha afaka ny hametra-pialana izy ireo ary ny Supreme Council for Armed Forces(SCAF) na ny Filankevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana dia mbola eo an-dalam-pandraisana fanapahan-kevitra na ho ekena ilay fametraham-pialana na tsia. Ho an'ireo mafàna fo sy mpanao hetsi-panoherana niady tamin'ny polisy sy ny miaramila ao anatiny sy ary manodidina ny kianja Tahrir efa ho telo andro izao , dia tsy nitondra zava-baovao teo ambony latabatra ilay vaovao. Ny zavatra tena nangatahan'izy ireo dia ny hialan'ny SCAF eo amin'ny fitondrana ary hanome ny fahefana amin'ny governemanta sivily.
Filipina : Nosamborina Ilay Filoha Teo Aloha
Ilay Filohan'i Filipina teo aloha Gloria Arroyo dia napetraka eo ambany 'fanaraha-maso ao amin'ny hopitaly' taorian'ny niampangana azy tamin'ny fanakorontanana fifidianana. Fanehoan-kevitra anaty aterineto maro no nahatonga ilay tenifototra #ArroyoArrest ho iray amin'ireo lohahevitra malaza indrindra eran-tany.
Ejipta : Ireo Fanjakana Kely Ao Cairo
Noheverinao ve izany fa i Cairo dia tanàn-dehibe iray? Ny tena marina, fitambaranà fanjakana kely maro izy io ary tsy mifampiankina . Ao amin'ity lahatsoratra ity, ilay bilaogera Karim Shafei dia manazava amintsika ny tena fomba fihodin'i Cairo.
Però : Ny Grevin'ny Tantsaha Ao Andahuaylas
Talata, 8 Novambra, dia nanamarika ny andro faha enina amin'ny grevin'ireo mpamboly izay manohitra ny lahasa fitrandrahana ao amin'ny faritr'i Andahuaylas, ao Apurímac, faritr'i Peroa. Nanao fanadihadiana tamin'ny alàlan'ny Twitter ireo mponina koa satria moa mbola nitohy ilay grevy.
Però : Fijerena Manokana Ny Hetsi-panoherana Manohitra ny Fitrandrahana
Ireo bilaogera Peroviana dia nandinika manokana ireo hetsi-panoherana izay vao tsy ela akory sy ny korontana ara-sosialy mifandraika amin'ny olana ara-tontolo iainana izay nateraky ny fitrandrahana, ary ny mety ho aterak'ireny olana ireny amin'ny ihetsiky ny governemantan'ny Filoha Ollanta Humala
Etazonia : Fanesorana Tampoka Ny Hetsi-panoherana Bodoy ny “Wall Street”
Ny marainan'ny 15 Novambra, Ireo mponina avy ao Etazonia dia taitra tamin'ilay vaovao nilaza fa ny polisy dia nandroaka ireo mpanao hetsi-panoherana bodoy ny "Wall Street" ao amin'ny Zuccotti Park tsy nisy fampandrenesana mialoha akory. Toy ny mahazatra, betsaka ny hevitra izay nifamahofaho tao amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny tambazotra ara-sosialy.
Ejipta : Fahatsiarovana Ny Faha 40 Taonan'i Papa Shenouda Tao Amin'ny Twitter
Ireo Coptes Ejiptiana, ankoatry ny hafa, dia nanapa-kevitra nby hanakiana ny Papa Shenouda III, tamin'ny fankalazàna ny faha-40 taona nanosorana azy. Ilay fankalazàna dia nifanandrify indrindra tamin'ny famaranana ny 40 andro fisaonana taorian'ny vono olona tao Maspero, izay nahafatesana Ejitiana 27, ny ankabeazan'ireo maty dia Kristiana "Copte" avokoa.