Lahatsoratra farany an'i nirinandrea tamin'ny Mey, 2018
Kosta Rika : Miaro Ny Tontolo Iainana Ve Ny Toeram-Pitrandrahana Mitafo Lanitra? Tsia, Hoy Ireo Blaogera
Nampiaka-peo ireo blaogera ao Kosta Rika nampaneno ny lakolosim-panairana hanoherana ilay fanapahankevitry ny governemanta hamela tetikasa iray hanapaka ala aminà hektara maro ho an'ny toeram-pitrandrahana volamena mitafo lanitra ao akaikin'ny sisintany iarahany amin'i Nikaragoa.
Porto Riko : Ilay Fahazoandàlana Vaovao Ahafahana Mamono Hazo
Nahatonga fanehoankevitra be teo amin'ny tontolon'ny blaogy Pôrtôrikana ilay fanapahankevitra vao haingana avy amin'ny Sekreteram-Panjakana Momba ny Fambolena ao Pôrtô Rikô. Ao amin'ny nosy Pôrtô Rikô, mila mangataka fahazoandàlana any amin'ny masoivohon'ny harena voajanahary ny olona iray raha te-hanapaka hazo. Izay aloha ny zotra narahina hatramin'ny fotoana nanaovan'ilay Sekretera jeneralin'ilay masoivoho,Javier Velez Arocho, ilay fanapahankevitra ahafahana mahazo avy hatrany alalàna hanapaka hazo
Kardinaly George Pell Zokiny Indrindra Ao Vatikana Hiatrika Fitsaràna Ao Aostralia Noho ny Herisetra Ara-nofo
"Manolotra fitiavana ho an'ireo rehetra niharam-boina izay hitondra porofo. Mitaky hery ngezabe ny fijoroana toy izao."
Pakistana : Fijery Avy Any Afovoany Atsinanana
Inona no ambaran'ireo blaogera avy ao Afovoany Atsinanana momba ny fivoarana farany ao Pakistana? Miainga avy amin'ny fanangonan-tsonia mba hanakanana ny lalàna miaramila ka tonga hatramin'ny hanihany mahatsikaiky, miainga avy amin'ny torohevitra mankany amin'ny fitarainana noho ireo fotoana tokony hahafanaha manao zavatra saingy tsy mifanojo amin'ny ilàna azy ireo fanehoankevitra.
Libanona : Fiarahamonina Sy Fifanoherana
Misy karazana fo samihafa: vita amin'ny vy, vita amin'ny fingotra, vita amin'ny kristaly. Iza amin'ireo no tianao hanànana ?
Japana: Ny Ady Atrehan'Ireo Mitondra Ny Otrikaretina VHC
Tsy zava-baovao ao Japàna intsony ny tantaran'ireo fanomezana rà maloto. Ny taona 1980, marary maro nanaraka fitsaboana mikasika ny tsy fahampian-drà no nahazo ny otrikaretina VIH vokatry ny rà maloto nampidirina taminy, nohon'ny tsy fahampian'ny fanarahamaso avy amin'ny governemanta sy ireo Orinasa fivarotampanafody mahakasika ny fanapahankevitra tany aloha noraisin'ny FDA hanaisotra ny fankatoavany ireo vokatra.
Shina : Olona Mpiahy Ireo Blaogera Mafana Fo?
Ahoana no hamaritana ilay blaogera MSN Spaces roa amby roampolo taona Zeng Jinyan? Loza mitatao ho an'ny filaminan'ny firenena ve ? Mpikatroka mafana fo miady amin'ny SIDA izay mitondra fanohanana, fifaliana ary fanantenana ho an'ireo kamboty tsy tambo isaina nateraky ny otrik'aretina SIDA ve ? Vehivavy tanora iray lasa mpanao hiringiriny taorian'ny nakan'ny fanjakana an-keriny ny vadiny nandritry ny iray volana mahery ? Mpiahy mitondra tenin'ireo niharan'ny tsy rariny ao anatin'ny faribolana sosialy ao Shina kanefa tsy mahateny ve ?