Lahatsoratra farany an'i nirinandrea
Tetezana ara-kolontsaina Pôlôney-Taiwanais: Resadresaka nifanaovana tamin'ny mpandika teny Wei-Yun Lin-Górecka
Mifanalavitra ara-jeôgrafika sy ara-kolontsaina i Taiwan sy Pôlônina, kanefa mifampizara tantara lava momba ny fifandraisana izy roa tonta, araka ny fanazavan'i Lin Wei-Yun Górecka, mpandika teny sy mpikaroka any Taiwan, tamin'nyy Global Voices
Manimba ny asan'ireo mpiompy any Himalaya ny krizy ara-toetrandro
Manakana ny fitomboan'ny ahitra any amin'ny kijàna avo any Rukumn distrika atsinanan'i Népal, ny hain-tany amin'ny ririnina sy ny fahataran'ny filatsahan'ny oram-panala, ka mampidi-doza ny isan'ny ondry ao an-toerana ary manery ireo mpiandry ondry hiala amin'ny asany.
Fifidianana Taiwan 2024: tsy vitan'ny DPP antoko eo amin'ny fitondràna ny nihazona ny maro an'isa tao amin'ny antenimiera mpanao lalàna taorian'ny nandreseny tamin'ny fifidianana ny ho filoham-pirenena
Tsy vitan'ny Democratic Progressive Party (DPP) antoko eo amin'ny fitondràna ao Taiwan ny nihazona ny maro an'isa tao amin'ny antenimiera mpanao lalàna taorian'ny nandreseny tamin'ny fifidianana ny ho filoham-pirenena. Mety hanangana fiara-mitantana ireo antoko mpanohitra ka hifehy ny antenimiera.
Resadresaka nifanaovana tamin'i Joel Schalit, mpanao gazety israeliana-amerikana: ‘Tian'ny governemanta israeliana hatsahatra amin'ny fomba ofisialy ny demokrasia’
Nitafa tamin'i Joël Schalit, mpiara-manorina ny The Battleground, momba ny adin'i Israely amin'i Gaza ny Global Voices. Mpanao gazety Israeliana-Amerikana i Schalit, mitantara ny politika Eoropeana sy Afovoany Atsinanana, isan'izany ny ho an'ny media Israeliana.
Ho voatarika anatina ady midadasika ve i Libanona?
Satria mihamitombo ny disadisa eo amin'i Hezbollah sy Israely, ny faritra MENA dia eo amoron'ny ady midadasika izay mety handravarava tanteraka ary hisy hahasaringotra lalina an'i Libanona sy ireo firenena manodidina azy.
Fampirantiana iray vaovao any UK mamerina ny lova navelan'ny governora britanika iray mahery setra ; hanaraka izany ve i Trinidad sy Tobago?
Nalàna tamin'ny taona lasa iny ny sarin'i Picton, izay nibahana toerana nisongadina tao amin'ny National Museum Cardiff nandritra ny zato taona mahery, saingy mbola manako ao Trinidad sy Tobago ny anarany.
Any avaratr'i Ogandà, ‘miaraka sitrana’ ireo sisampaty tamin'ny ady sy ireo alika mpampionona
"Ny fitsaboana amin'ny alàlan'ny biby dia miorina amin'ny fifamatorana efa nisy nialoha teo amin'ny olona sy ny biby. Asehon'ireo fandinihana fa ny fifandraisana amin'ny biby fiompy azo iaraha-monina dia afaka manampy amin'ny olana ara-batana sy ara-tsaina isan-karazany."
Nahoana ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena ao Afrika Andrefana no manentana ny ECOWAS hanao laharam-pahamehana ny fampidirana ny fahasembanana.
Ny fampiatiana ireo olona sembana any Afrika dia tsy resaka rariny ara-tsosialy fotsiny; tena ilaina amin'ny fampandrosoana maharitra sy ny fitombohan'ny fihariankarena izany.
Famantarana ny fanombohan'ny fifandraisana am-pitiavana ny fanatrehan'ny Filohan'i Tanzania Suluhu ny hetsika ataon'ny mpanohitra
Amin'izao fotoana izao, i Suluhu dia niditra amin'ny lalana mankany amin'ny andianà fanavaozana miaraka amin'ny fifantohana mafy amin'ny fanavaozana ny rafi-pitsarana sy ny fanavaozana araka ny lalàna ary hampiantrano ny filoha lefitra amerikana Kamala Harris aoriana kely amin'ity taona ity
Mety hanimba ny asan’ny mpanao gazety ny lalàna vaovao momba ny fampitam-baovao any Papouaise-Nouvelle-Guinée
"Fanontaniana tsotra no apetrakay, inona no afenintsika tsy hohadihadian'ny daholobe?"