Lahatsoratra farany an'i Faniry Nicole tamin'ny Febroary, 2012
Goatemalà : Ilay Mpanao Jadona Teo Aloha Efrain Rios Montt Nohadihadiana Manokana Mikasika Ny Famonoana Ny Mpiray Tanindrazana
Ny 26 Janoary, Mpitsara iray no namoaka fa ilay Filoha de facto teo aloha Efrain Rios Montt dia hiatrika fitsarana noho ny Famonoana ny mpiray tanindrazana; tamin'io andro io ihany, ny Kaongresy ao Goatemala dia nanao sonia ny "Fifanarahan'ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenena natao tany Roma", izay manome fanantenana ireo mponina ao Goatemala ny amin'ny hoe ny fikatsahan'izy ireo ny fitsarana tetezamita dia eo an-dalampandrosona mankamin'ny làlana mahitsy.
Inona No Dikan'ny Rafitra Fanesorana Ataon'ny Twitter Isaky Ny Firenena Ho An'ny Fahalalahana Haneho Hevitra ?

Omaly, ny Twitter dia nanambara tao aminà lahatsoratra iray anaty bilaogy fa eo an-dalam-pametrahana rafitra iray izy ireo izay ahafahan'ny orinasa manaisotra ny rakitra miainga amin'ny isaky ny firenena, ialàna amin'ny famotehana azy ao manerana ny rafitra Twitter. Eva Galperin dia manazava hoe ahoana ilay rafitra vaovao, ary ahoana no tsy homena alalàna.
Tanora Mpangalatra Tao Indonezia Ary ‘Tantara Ratsin'ny Kapakapa’
An'arivony ireo mponina ao Indonezia no nametraka kapa teo anoloan'ny paositry ny polisy manerana ny faritra ao amin'ny firenena mba hanoherana ilay fidarohan'ny polisy ilay ankizy lahy kely vao 15 taona monja nolazaina fa nangalatra kapanà polisy iray. Ireo mponina anaty aterineto dia naneho ny heviny tamin'ilay 'Hetsi-panoheran'ny kapakapa'
Oganda : Ny Resabe Mikasika Ny Zanaky Ny Mpanjaka Buganda Ivelan'ny Fanambadiana
Ny Talata 17 Janoary 2012, ny Fanjakan'i Buganda tao Ouganda dia nanambara ny fahaterahan'ny zanakalahy hfaharoan'ny mpanjaka (Kabaka), Ronald Muwenda Mutebi II. Ilay fanambarana dia nahatonga resabe sy fanehoan-kevitra samy hafa noho ilay printsy vaovao teraka ivelan'ny fanambadiana.