Faniry Nicole · Febroary, 2019

Lahatsoratra farany an'i Faniry Nicole tamin'ny Febroary, 2019

Korontana Tao Addis : Mitatitra Ireo Blaogera sy Mpanao Gazety Any an-Toerana

Tanatin'ny telo andro izao no niaina tanteraka tanaty herisetra i Addis Abeba, satria namaly ny tora-bato natao taminy tamin'ny alalan'ny fitifirana basy ireo polisy sy ireo tafika mitam-piadiana mahery vaika. Maherin'ny telopolo no voalaza fa namoy ny ainy. Nabaribarin'ireo bilaogera sy mpanao gazety tao an-toerana ho an'izao tontolo izao tamin'ny fampiakarana sary ny zava-nitranga tao Addis sy ny halehiben'izany

27 Febroary 2019

Karatra SIM Roa tapitrisa Novonoina Tao Zambia

GV Mpisolovava

Miatrika olana ankehitriny ireo Zambiana tsy nahavita nanoratra ny karatra SIM amin'ny anarany -- milaza ireo mpanao gazety sy ireo mpitarika antoko mpanohitra fa fanitsakitsahana ny fianana manokana sy ny zon'ny olom-pirenena hifanerasera ilay famonoana karatra.

21 Febroary 2019

Zambia: Fihainoana Ny Fifandraisana Findain'Ilay Minisitry ny Raharaham-Bahiny

GV Mpisolovava

Voan'ny tsindry avy amin'ny antokon'ny fitondràna Patriotic Front (PF) ny amin'ny tokony hametrahany fialàna ilay Minisitry ny Raharaham-bahiny Zambiana, Given Lubinda. Nampangain'ny komitin'ny fitsipi-pitondrantenan'ilay antoko ho nanaporitsaka vaovao taminà filazambaovao anaty aterneto izy. Nifototra tamin'ireo porofo izay voalaza fa nangonina tamin'ny alalan'ny fihainoana ny resaka nifanaovan'ilay minisitra tanaty findainy izany fiampangana izany

08 Febroary 2019