Lahatsoratra farany an'i nirinandrea tamin'ny Jona, 2012
Nanomboka Ny Fitokonany “Maina” Tsy Hihinan-kanina Ilay Bilaogera Iraniana Voafonja
Manana endrika vaovao indray ny tantara mampalahelon'ireo bilaogera Iraniana tato ho ato : Hossein Ronaghi Maleki,ilay bilaogera nanefa sazy 15-taona an-tranomaizina. Tao anaty fitokonana tsy hisakafo nanomboka ny volana May i Hossein, ary ankehitriny nijanona tsy misotro rano koa izy.
Kenya : Mahazo Laka Ny Fambolena Eny Andrenivohitra
Ao Kenya, mianatra teknika maro momba ny fambolena sakafo hivelomana sy hamidy ireo mponina, eny fa na dia eny amin'ny toeram-pambolena tery aza. Ho an'ireo olona tsy ampy fidiram-bola na tsy misy mihitsy, ny fambolena any andrenivohitra no mety ho lakilen'ny antoka ara-tsakafony. Ireto lahatsary manaraka ireto dia mampiseho ny fambolena anaty tavy ary mampiasa toerana sy fahafaha-manao voafetra.