Lahatsoratra farany an'i Faniry Nicole tamin'ny Oktobra, 2011
Arabia Saodita : Miala any ny printsy Naif
Minitra vitsy monja ny famoahan'ny mpisera Saodiana tao amin'ny Twitter ny fitaintainan'izy ireo tao aorian'ny fahafatesan'ilay Printsy mpandimby Sultan Bin Abdul Aziz Al Saud. Mitovy fanontaniana ny maro amin'izy ireo momba izay...
Global Voices Podcast : Fivoriana Fahatelon'ireo Bilaogera Arabo – Andiany faha2
Ho fanampin'ny "podcast" isam-bolana fanaonay, dia manana raki-peo manokana ho anao koa izahay avy amin'ilay vaovao vao nivoaka farany tamin'ilay Fivoriana fahatelon'ireo Bilaogera Arabo tao Tonizia. Ao amin'ity lahatsoratra ity, fanadihadihana miaraka amin'i : Zeynep Tufekci, Alexandra Sandels, Hayder Hamzoz, ary Roger Dingeldine.
Etiopia:Nanao Fitakiana Tao Anaty Aterineto Ny Mponina Ho An'i Shweyga Mullah
Fanaovana fitakiana tao aminà filazam-baovao ara-tsosialy iray no namoahan'ireo mponina fahatezerana be tanaty aterineto tao Etiopia taorian'ny fanambaran'ilay mpanao gazetin'ny CNN, Dan Rivers, ilay fanararaotana nahatsiravina nihatra tamin'i Shweye Mullah izay tena naratra tokoa noho ny fitorahan'ilay vadin'ny zanak'i Gaddafi, Hannibal, rano mangotraka ny vatany iray manontolo tamin'ny tsy nahavitàny nampangina zaza fotsiny. Shweye mantsy dia niasa tao amin'io fianakaviana io toy ny mpitaiza zaza
Korea Atsimo : Ireo Sary Avy Amin'ny Hetsi-panoherana “Bodoy i Wall Street” Tao Seola
Ilay hetsika "Bodoy Wall Street" dia natao tao amin'ny renivohitr'i Korea atsimo, Seola. Na dia teo aza ny orambe mikija, ny tselatra sy ny kotroka, ary ny fihidinan'ny mari-pana tampoka, teo amin'ny olona 300 teo ho eo no tonga tamin'ilay hetsi-panoherana "bodoy" tao Seola ny faha 15 Oktobra 2011.
Rosia : Mahakasika Ny Tena Manokana Misy Mamoaka Antsokosoko , Iza No Homena Tsiny ?

Ny 03 Oktobra 2011, antotan-taratasinà teratany Rosiana maro, ao anatin'izany ny taratasim- bola ary laharanà pasipaoro, no nakarina tao amin'ilay vohikala rusleaks.com [ru]. Miady hevitra ny olona hoe iza no homena tsiny.
Andron'i Ada Lovelace : Mihetsika Ireo Vehivavy Fitaratra
Ny Andron'i Ada Lovelace (7 Oktobra) dia mikatsaka ny hampakàrana ny tahan'ireo vehivavy manao siansa, teknolojia, fianarana ho injeniera ary matematika amin'ny alalan'ny famporisihana ny olona manerana izao tontolo izao hiresaka momba ny vehivavy izay ankasitrahan'izy ireo ny asa ataony. Vakio ato ny fahatsiarovan'ny Global Voices.
Afrika : R.I.P Steve Jobs, Ho Banga Anao Izahay
Ilay mpiara-manangana, mpitantana, ary tale mpanantanteraka ao amin'ny Apple Inc.Steve Jobs dia nodimandry ny 5 Oktobra 2011. Bilaogera maro no nanokana fotoana nanehoana fankasitrahana sy fahatsiarovana ny zava-bitany teo amin'ny tontolon'ny teknolojia.
Bolgaria: Fifandonana Eo Amin'ny Roma Sy Ny Teratany
Fifandonana mahery vaika teo amin'ny tanànan'i Bulgaria tao Katunitsa, akaikin'i Plovdiv, no niseho ny Zoma alina teo, taorian'ny fahafatesan'ny teratany Bolgara iray 19 taona, Angel Petrov, izay voahosin'ny fiara nentinà lehilahy manam-pifandraisana amin'ny mpitarika ny vondrona Roma ao an-toerana. Nanadihady i Rosiana Trad mikasika ireo fanehoan-kevitry ny mponina ao Bolgaria.
Bahrain : fanagadrana 15 taona ho an'izay mitsabo ireo mpanao fihetsiketsehana
Bahrain dia nanameloka dokotera maro higadra 5-15 taona antranomaizina, niapanga azy ireo taminà karazana heloka isan-karazany ao anatin'izany ny fitazonana fitaovam-piadiana tao aminà hopitalim-panjakana.
Indonezia : Fipoahana baomba fanaovana sorona ny tena tao aminà Fiangonana Protestanta
Fiangonana protestanta ao Solo, afovoan'i Java ao Indonezia no tratran'ny fipoahana fanaovana sorona ny tena [andro maro lasa izay]. Mpampiasa Twitter tao Solo sy tany an-kafa no nandefa ny fiaraha-miory tamin'izy ireo sy naneho ny fahadisoam-panantenany mikasika iny tranga nampalahelo iny. Indreto ary misy fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpisera twitter tamin'ny fampiasana tenifototra #prayforsolo sy #pray4solo