Yemen : Hanao Sonia Ny Fifanarahana GCC Izay Lavin'ny Tanora Ve I Saleh ?

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny  Hetsi-panoherana ao Yemen 2011.

No to GCC Deal

Tsia ho an'ny fifanarahana Gcc

Efa niandry am-paharetana 10 volana be izao ny Yemenita mba handraisan'ny filoha Ali Abdullah Saleh fanapahan-kevitra hiala. Ilay fitakiana niantomboka tamin'ny fangatahana fiovan'ny fitondrana dia nivadika ho fampiakaram-peo ho amin'ny fandrodanana ny fitondrana taorian'ilay rà latsaka voalohany.

Ireo mponina ao Yemen dia nijaly amin'ny fizirizirian'i Saleh amin'ny tsy fanaovany sonia ny fifanarahana GCC ary manonitra izany amin'ny fiainany. Niaritra fijaliana izy ireo, nijaly noho ny tsy fisian'ny entana ilaina amin'ny andavan'andro toy ny entona fandrehitra, jiro, solika sy rano, ary niatrika ny fitombon'ny herisetra avy amin'ny fitondrana ary ny fitontongan'ny toekarena sy ny tsy fananana trano fonenana tao amin'ny firenena vokatr'izany

 

Izao tontolo izao dia mijery ary miandry an'i Saleh mba hanao sonia ilay fifanarahana raha toa kosa ny mponina ao Yemen maty sy mijaly mandritra ny volana maro.. Ireo mafàna fo ao Yemen dia nanomboka fanentanana anaty aterineto mba hanehoana amin'izao tontolo izao fa toy ny olona an-tapitrisany izay nanao diabe teny amin'ny lalan'i Yemen nandritra ny volana maro, izy ireo koa dia mandà ny fifanarahana GCC.

Ilay fanentanana dia mandeha eo ambanin'ny tenifototra #No2GCCdeal, izay anehoan'izy ireo ny antony handàvan'izy ireo ilay fifanarahana. Nanomboka ny “Tsia ho an'ny fifanarahana GCC” ihany koa izy ireo ao amin'ny pejy Facebook.

@Yemen4Change dia nandefa bitsika momba ilay vaovao nilaza fa ny fifanarahana GCC dia FARANY HO soniavina ihany, izay efa fandre matetika ary tsy vaovao mahagaga intsony :

#Saleh dia nanaiky ny hanao sonia drafitra iray hamindràna ny fahefana amin'ny lefiny, mpanohitra zokiny malaza iray no nilaza izany #Yemen #JMP #GCC t.co/b29V0eHj
Omaly, Alatsinainy 21 Nov.,ny Filoha Ali Abdullah Saleh dia nanaiky ny hano sonia drafitra iray hamindràna ny fahefana any amin'ny solom-bavam-bahoakany.

Nisy fihetsiketsehana mafonja nanerana ny Yemen nandritra izay andro vitsy lasa izay nangatahana ny hitsarana ny Filoha  Saleh.  Ity lahatsary ity dia mampiseho diabe mafonja iray omaly [21 Novambra] tao an-tanànan'i Ibb (lahatsary nakàrin'i yasser456029)

@ShathaAlHarazi, Yemenita iray mpanao gazety no nanaoratra tanaty bilaogy ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitry ny tanora Yemenita tao amin'ny lahatsorany  :

Fanehoan-kevitra tamin'ny fifanarahana GCC,  #No2GCCdeal #Yemen t.co/Z9flj1Fx

Ao amin'ny lahatsorany, Al Harazi dia manazava hoe :

Rariny ny filazana fa tsy mazava amin'ny sarambabem-bahoaka ilay fifanarahana, ny zavatra resahin'ny olona dia ny hoe manome antoka amin'ny tsy hisazian'i Saleh ilay izy, na dia efa maherin'ny 2195 aza ny olona namoy ny ainy teo anelanelan'ny Febroary sy Aogositra 2011

Maro no miahiahy izany, araka ny bitsik'i @samwaddah izay manontany hoe :

Fianarahana inona no resahantsika raha ny tafik'i #Saleh mbola mandaroka an'i #Taiz & Arhab amin'izao fotoana izao? Maty am-pahaterahana sahady! #No2GCCdeal #Yemen

@Abajamal dia naneho ny fahakiviany [ar] :

ما يثير إشمئزازي بمبادرة الخليج أنها اتت بطلب من صالح في خضم عاصفه ثوريه كانت على وشك الإطاحه بنظامه …يا للسخافه! #Yemen #No2GCCdeal
Ny maharikoriko ahy amin'ny fandraisan'andraikitry ny Golfa dia tonga toy ny fangatahan'i Saleh izany eo afovoan'ny savorovoro revolisionera izay mila hampienjera azy…tena mampihomehy.

@YemenFreeVoice dia manamafy ny fandàvany :

#No2GCCdeal satria zava-mitranga amin'i Saleh ihany ilay izy ary tsy vahaolana ho an'i #Yemen

@ibrahimAddali nanampy hoe  [ar] :

مازلت أتساءل : كيف اقتنعت المعارضة اليمنية بالشرط الذي يخول لصالح أن يبقى رئيسا فخريا؟
” Mbola manontany tena ihany aho : ahoana no nahatonga ny Yemenita mpanohitra ho resy lahatra amin'izao namelàna an'i Saleh ho Filoha am-boninahitra izao?”

Ny tanora Yemenita dia mangataka fiovana haingana sy fanapahan-kevitra hentitra avy amin'ny Firenena Mikambana mba hampihato ny fandatsahan-drà ao Yemen amin'ny alalan'ny fanagiazana ny fananan'i Saleh ary amin'ny fampiakarana azy any amin'ny Fitsarana Iraisampirenea momba ny Heloka Bevava. Juan Cole, (@jricole) manam-pahaizana manokana momba ny faritra Afovoany Atsinanana, nanonona ilay Yemenita nahazo Loka Nobel, Tawakkul Karman tao amin'ny bitsika nalefany dia nilaza hoe :

Mila ny Tandrefana ny revolisiona demokratika ao #Yemen  mba hampikatsoana ny kaontin'i #Saleh & hitondra azy any amin'ny ICC (Fitsarana Iraisampirenena momba ny Heloka Bevava)- Tawakkul #Karman

Fihetsiketsehana nataonà andiana vehivavy tao Taiz izay manameloka ireo famonoan'olona nataon'ny hery manohana ny Filoha Ali Abdullah Saleh tamin'ny sivily.

@YouthYemen dia mizara ito sary ito tao amin'ny Facebook ary manazava hoe :

Ny Atsimon'ny tanànan'i Taiz dia niatrika fihetsiketsehana goavana ny Talata teo, fihetsiketsehana izay manameloka ny vono olona nataon'ireo hery manohana ny Filoha Ali Abdullah Saleh ho fanoherana ireo sivily.

Maro amin'ireo Yemenita no mino fatratra fa ny Filoha Saleh dia tsy tokony hahazo famelan-tsazy taorian'ireo rà maro nalatsany nandritra ireo volana lasa.
Ity koa dia lahatsary iray hafa mampiseho diabe nataonà andiana vehivavy tao Sanaa omaly izay mangataka ny hitsarana an'i Saleh sy manambara ny hamaly ny rà nalatsak'ireo maritiora sy hanangana Yemena vaovao (lahatsary nakàrin'i ppryemen).

@shabadel nandefa bitsika hoe :

#No2GCCdeal satria fivadihana amin'ny rà nalatsak'ireo maritiora ny fanomezana an'i #Saleh rariny amin'ny fitsarana #trial. #ICC

Ny filoha Saleh dia efa in-telo tsy nanaiky ny hanao sonia io fifanarahana GCC io teo aloha, koa ny fanontaniana lehibe mipetraka dia ny hoe, ho soniaviny ve sa tsia ilay fifanarahana GCC ankehitriny?

Toy ny ankamaroan'ny Yemenita, dia manontany tena ilay tonian-dahatsoratra @blakehounshell :

Hanao sonia va re Saleh aanio? -Ny Yemenita tsirairay dia miandry ny fitanisako

Ary maro no mametra-panontaniana hoe hanao sonia izany ihany ve izy, hanantanteraka izany ihany ve izy ? @RASEDYEMEN nilaza hoe :

#Yemen Hanantanteraka ilay fifanarahana ve i Saleh ankehitriny ?! on.fb.me/trcz8Z #YF

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Hetsi-panoherana ao Yemen 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.