Ity lahatsoratara ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Revolisiona ao Ejipta 2011.
[Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Ny fanaingan-tsoroka lazain'ny lohateny dia ilay fihetsika maneho tsy firaharahiana]
Ny Kabinetran'i Dokotera Essam Sharaf dia vao avy nanontany raha afaka ny hametra-pialana izy ireo ary ny Supreme Council for Armed Forces(SCAF) na ny Filankevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana dia mbola eo an-dalam-pandraisana fanapahan-kevitra na ho ekena ilay fametraham-pialana na tsia. Ho an'ireo mafàna fo sy mpanao hetsi-panoherana niady tamin'ny polisy sy ny miaramila ao anatiny sy ary manodidina ny kianja Tahrir efa ho telo andro izao , dia tsy nitondra zava-baovao teo ambony latabatra ilay vaovao. Ny zavatra tena nangatahan'izy ireo dia ny hialan'ny SCAF eo amin'ny fitondrana ary hanome ny fahefana amin'ny governemanta sivily.
Ny Volana Febroary, ny SCAF dia nitondra taorian'ny fanalàna an'i Hosni Mubarak teo amin'ny toerany taorian'ny hetsika nataon'ny Ejiptiana nandritra ny 18 andro. Nanomboka teo, dia nitaraina ireo Ejiptiana fa ireo mpanapaka vaovao avy amin'ny miaramila dia niasa ho fanoherana ny revolisiona sy ireo tanjony. Ny isan'ny loha-laharana amin'ny hiakan'ireo mpanao hetsi-panoherana dia ny fametraham-pialan'ny Maréchal Mohamed Hussein Tantawi, izay komandy ambonin'ny SCAF.
Vao maraina be i Mona Eltahawy dia nandefa bitsika androany :
@monaeltahawy : Nandritra ny #Jan25, ireo miaramila dia nitazam-potsiny raha toa ny polisy ka nitifitra kosa ireo mpanao hetsi-panoherana. Ankehitriny ny miaramila dia miara-mitifitra amin'ny polisy. Mazava hoe iza no hombàn'ny #SCAF ao #Tahrir
Mazava izao ny fihetseham-po avy amin'ny fomba nandraisan'ny Tahrir ny vaovaon'ilay fampiatoanana ny fametraham-pialan'ny Kabinetra. Mohammed Effat dia mandefa bitsika avy ao Tahrir :
@3effat : Nisy olona nanaparitaka ilay vaovao momba ilay fametraham-pialan'ny Kabinetra, tsy nisy olona niraharaha azy akory #Tahrir
Ary manampy hoe :
@3effat : Hoy ny mpanao hetsi-panoherana iray: “Tantawy sy ny SCAF no olana fa tsy izay fatinà kabinetra #Tahrir
Nandritry ny minitra vitsy, vaovao mifamahofaho maro no nitohy niraraka, na izany tamin'ny vaovao na tamin'ny famoaham-baovao ara-tsosialy.
Ilay mpanao fanadihadiana avy any UAE, Sultan Al Qassemi, dia mibitsika fa hoe vao nanaiky ilay fametraham-pialan'ny kabinetra ny SCAF :
@sultanalqassemi : Breaking Al Jazeera : manaiky ny fametraham-pialan'ny governemanta Ejiptiana ny SCAF
Vetivety , dia nitatitra ilay mpanao gazety Hind Hassan hoe :
@hindhassan : Koa ny fahitalavi-panjakana Ejiptiana dia milaza fa TSY neken'ny #SCAF ilay fametraham-pialan'ny kabinetra na dia teo aza ireo tatitra mifanohitra amin'izany izay efa nivoaka. #EGYPT
Tao amin'ny Twitter, naneho hevitra tamin'ilay vaovao ireo mponina .
Blake Hounshell, mpanao gazety, dia mampahatsiahy antsika :
@blakehounshell : N ametra-pialana ilay kabinetra Ejiptiana kanosa sy banga ridana : tamin'ny fotoana farany nisian'izany dia nijanona tao amin'ny biraony ihany izy ireo.
Ilay tantara dia tsy nisy very tamin'i Mohamed El Dahshan. Nanoratra izy hoe [ar] :
Mpanao fanadihadiaana ara-politika i Shadi Hamid no nanontany tena raha toa ny fifidianana parlemantera, izay voatondro hanomboka ny 28 Novambra ka ho tanteraka ihany. Hoy izy :
@shadihamid : Manantena aho fa tsy hisy izany fifampitohizana izany, kanefa mety hisy izany : mametra-pialàna ny PM , voatendry ny governemanta vaovao , nahemotra ny fifidianana. #Egypt
The Arabist manampy hoe :
@arabist : Ilay fametraham-pialan'ny kabinetra Ejiptiana dia tsy afaka ny handalo fotsiny raha ohatra ny olona misolo azy ka mahavita azy.
Ary ilay Ejiptiana Amira Salah-Ahmed mamintina hoe :
@Amiralx : Raha nolavina ny fametraham-pialana ary hiverina hiasa ireo ministera dia malemy izy ireo ary mpiray tsikombakomba amin'ny herisetra . Ahorony ny entanareo ary mialà tao amin'ny birao tao!
Mandritra izany, mbola nitohy ny raharaha tao afovoan-tananan'i Cairo, manodidina an'i Tahrir – toy izany koa ny tany amin'ny faritra hafa manerana an'i Ejipta
Jon Jensen dia mandefa tatitra fotsiny manao hoe :
@jonjensen : Tifitra mavesatry ‘ny polisy mankany amin'ny vahoaka ao amin'ny làlana Mohamed Mahmoud. Henoko ny balan'ny basy manao dom-berina amin'ireo tranobe sy ny manda fiarovana. #Egypt #Tahrir
Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Revolisiona ao Ejipta 2011.