Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Revolisiona ao Ejipta 2011.
Ny Papa Shenouda III dia nankalaza ny Alatsinainy teo ny faha 40 taona nanendrena azy ho eo amin'ny toerana maha Papa azy ao amin'ny Eglizy Ortodoksa “Copte” ao Ejipta. Ilay faha 40 taona dia nifanandrify indrindra tamin'ny famaranana ny 40 andro fisaonana taorian'ny vono olona tao Maspero, izay nahafatesana Ejitiana 27, ny ankabeazan'ireo maty dia Kristiana “Copte” avokoa.
Amin'ny fomba Ejitiana, ny andro faha 40 aorian'ny fahafatesanà olona iray dia tokony ho andro fisaonana, ary izany no antony tsy niandrandràn'ny Ejitiana “Copte” ny Papa Shenouda hoe hankalaza ny fahatsiarovana ny fanendrena azy tamin'ity taona ity.
Naglaa Atef Beshay (@Nanyatef) dia nanoratra mampitaha ireo vaninandro roa :
استشهد قبل حوالي 40 يوما 27 شهيدا في يوم دامي مورست فيه ابشع انواع العنف ضد متظاهرين سلميين خرجو تنديدا بحرق كنيسة.
في الوقت الذي ثار الثوار احتجاجا علي مذبحة ماسبيرو و ادانوا المجلس العسكري بشكل واضح و صريح، استقبل البابا شنودة و المجلس المقدس المدبر و القاتل و المحرض بالابتسامات و الترحيب في صفقة اعتادنا عليها بين السلطة و السلطة، السياسية و الدينية.
Nampitahainy tamin'izany ny toerana misy an'i Alaa Abdel-Fattah – mafàna fo izay notànana am-ponja vao haingana- sy ny Fiangonana.
Tamin'ny fahitàna izany i Diana sy Mina Zekri dia nanapa-kevitra ny hamorona tenifototra vaovao tao amin'ny Twitter mba hankalazana ny faha 40 taona nanendrena ny Papa tamin'ny fomban'izy ireo manokana.
@minazekri: @_TaMaTeM_ or #40fuckinyears
Natombok'i Diana tamin'ny fanakianana ny fomba fitarihan'ireo mpitarika fivavahana anjambany ny olona hanaraka azy ireo ao Ejypta izany.
Ny lalàna Ejiptiana dia mahasarotra ny fananganana fiangonana vaovao ho an'ireo Kristiana, ary izany no antony anaovan'ny olona sasany antso avo ho amin'ny lalàna iraisana ahafahana manangana toeram-pivavahana ho an'ny antokom-pinoana rehetra. Kanefa araka ny hevitr'i RunGeo, ny Papa Shenouda dia manana hevitra hafa mihitsy.
Mina Zekri dia nanampy fa ny toetsaina misalobona sy ny fankahalàna lalina ny fivavahana hafa ary ny sekta nandritra ny vanim-potoanan'ny Papa dia niakatra be. Notohizany ny fanazavany tamin'i Rehab Bassam (@hadouta) momba ny zavatra tiany ho lazaina
Nany Atef dia nitovy hevitra tamin'i Mina momba ny Sekoly Alahady[Ar].
Rehefa tonga teo amin'ny andraikitra ara-politikan'ny Papa sy ny fifandraisany amin'ny fitondrana, Hany George dia nanoratra fa tsy mankasitraka ilay hetsi-panoherana tao Maspero ny Papa. Wael El-Moghany dia nanoritsoritra ny vanim-potoanan'ny Papa Shenoda ho 40 taona nifanarahana tamin'ny fitondrana ary i Mina Samir dia nanakiana ny fitongilanan'i Papa amin'ny “Copte” mba ho voaaron'ny politikan'ny fitondrana sy ny polisy toy izay harovan'ny fitiavan'ny mponina manodidina azy ireo.
Ary i Mina Zekri nampahatsiahy antsika hoe :
Michael Makary nanampy hoe :
@iMakary: #40FuckinYears tsy nampakarana fitsarana ny olona izay namono tsy ampisalasalana ireo kristiana #fact
Zekri dia nanamarika fa ny ankamaroan'ireo nandray anjara tao amin'ilay tenifototra dia Kristiana avokoa, koa dia niantso ireo Silano izy handray anjara ihany koa [Ar]. Ary i Mahmoud Kassem dia nampitaha ny foto-kevitry ny fiangonana “Copte” amin'ny an'ireo” Salafista“
Mohamed Foudadia dia nitondra ny anjara birikiny tamin'ilay tenifototra :
@mohamedfouda : Tokony ho haintsika fa tsy misy olona tsy azo kianina izany na dia ireo milaza ny tenany ho mpitondra fivavahana aza, satria tsy misy olona masina #40FuckinYears #Salafis
Farany, Dalia Ezzat niantso ilay izy hoe “faharisihana mahagaga avy aminà Copte Ejiptiana sasany manakiana ny mpitondra fivavahan'izy ireo”, raha toa i Sotsoy – toy ireo mpampiasa maro hafa – ka nahita izany ho manafintohina. Peter Gamil dia nilaza fa manohitra ny fankalazana ny fanendrena izy amin'izao fotoana izao, kanefa koa tsy mankasitraka ny fomba fanakianan'ny olona ny Papa ao amin'ilay tenifototra. Nanampy koa izy hoe ny Papa dia tsy manadino ireo maritioran'i Maspero, kanefa amin'ny fomba amam-panao Kristiana dia tokony hifaly ry zareo ny amin'ireo maritiora ary hankalaza ny naha-maritiora azy ireo fa tsy hisaona izany . Beshoy Naeem dia niantso izany hoe “fihatsarambelatsihy sosialy” ary Fadi Mckean dia mahita fa fomba iray io hanehoan'ny Kristiana sasany fa laika izy ireo.
Ary i Heba Khafagy dia nanampy hoe:
@HebaKhafagy79 : #40FuckinYears Tena tsapako fa ity tenifototra ity dia tsy noheritreretina ho amin'ny hoe …azafady rey olona mba manehoa fanajàna…..kiano fa izaho dia tsy maintsy manisy andalana iray ho faniratsiràna.
Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Revolisiona ao Ejypta 2011.