Qatar : Mizarazara Be Ny Hevitra Mikasika Ny Fivarotana Sakafo Misy Kisoa

Niely be ny vaovao tao Qatar fa azo vidiana ao amin'ny firenena amin'izao fotoana izao ny sakafo misy kisoa, na dia avy amin'ny orinasa mpaninjara toaka ” Qatar Distribution Company” irery ihany aza, ary ho an'ireo manana fanomezan-dalàna hivarotra zava-pisotro misy alikaola irery ihany.

Manamarika ny fiovana lehibe ao amin'io Firenena Silamo mpandàla ny nentin-drazana io izany, izay manana lalàna henjana momba ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola, ary teo aloha teo dia nandràra tanteraka ny fidiran'ny kisoa izy ireo. Ny fiovan'ny politikan'ny governemanta dia nampizarazara ny hevitry ny olona, ary tao amin'ny Twitter dia nahitana fanehoan-kevitra mirarakompana avy amin'ireo olona monina ao Qatar, na teratany na mpihavy.

Ny sasany nanontany hoe, inona ny olana?

@Marieboo713 : Tsy azoko hoe maninona ny olona no manao ho olana be ny  #porkinqatar ( fahatongavan'ny kisoa ao Qatar). Raha tsy tianao ilay izy, aza mihinana…

@ThisisMK1 : #PorkInQatar (fahatongavan'ny kisoa ao Qatar) hanova inona? Raha voararan'ny fivavahanao ilay izy aza vidiana dia aza mihinana! inona no olana amin'izany! moa va tsy voarara koa ny zava-pisotro misy alikaola?

Raha ny maro hafa nanambara fa tsy dia ilaina izany  :

@chearn73 : #PorkInQatar ( fahatongavan'ny kisoa ao Qatar) dia hevitra tena ratsy raha mahatonga ny mponina hankahala antsika! te ho tiana aho, fa tsy ho hankahalaina.

raha tsy hoe tonga dia mahasosotra tsotra izao :

@tharveyom : #PorkinQatar ( fahatongavan'ny kisoa ao Qatar), firenena silamo io noho izany tokony ho hajaina ny fototra ijoroany sy ny hajan'ireo olona ao!

@sewalef : Tsy azon'ny olona izany. Tsy momba ilay kisoa izany- fa momba antsika izay mahatsiaro tena ho miha vitsy hatrany-ato amin'ny firenentsika ihany. #qatar #porkinqatar

Ilay teratany avy ao Qatar Fahad AlAssiry,  manaraka izany, dia nanambara fa tsy misy iraisan'ny mihitsy ny fanaraha-maso eo amin'ny kisoa sy ny zava-pisotro misy alikaola :

@FahadAlAssiry : Ilay tohan-kevitra momba ny tsy fitorohana ny alikaola dia tsy manan-kery, ny fandikana foto-kevitra iray indray mandeha dia tsy midika ho fandikana ny hafa . #porkinQatar

@FahadAlAssiry : Ny maha laro lehibe  ny alikaola eo amin'ny fombafomba fiainan'ny maro amin'ireo tsy silamo no mahatonga azy ho voamarina . #porkinQatar

Ny sasany naneho ahiahy ny mety ho fiatraikan'ilay fiovana :

@KhalidAlRabban : Tsy noheveriko mihitsy hoe ho avy ny andro hanontaniako amin'ny mpandroso sakafo ao aminà hotely iray ao Qatar hoe inona karazana hena inona no ao anatin'ny ” burgers” ao amin-dry zareo #PorkInQatar

sy nametra-panontaniana ny laharam-pahamehan'ny fanovana nasionaly :

@R_AlDosari : ny fivarotana #porkinQatar (sakafo misy kisoa) dia tsy misy hidirany amin'ny maha olo-mandroso, Na ahoana na ahoana ! mihevitra aho fa mila averina adika indray ny fomba famaritana sy ny foto-kevitra fototra ato Qatar !

@R_AlDosari : Mety aminao ny #porkinQatar NEFA tsy mety amin'ny foko hafa ao Qatar ary  tsy mety amin'ny zaza manan-dray tsy avy ao Qatar & tsy mety amin'ny” bdoon”!

@adriatomatic: #porkinqatar ny zavatra iray momba ilay izy dia ny vitsy an'isa no mahazo tombony amin'izany, kanefa raha naparitaka ilay izy, olona maro  no hahazo tombony amin'ny fitsinjaram-panànana

Kanefa koa mangataka fampitahana ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo  firenena tsy silamo momba ny fomba fanaon'ny firenena silamo izany :

@LULW_: RT @ReyRevolver: RT @tamtoom_: raha tsy mila #PorkinQatar( kisoa ao Qatar) ianao dia aza miandry ireo firenena tsy silamo hanome anao sakafo” halal” ho an'ny v******kelinareo. mpihatsaravelatsihy

@orcl8 : Aza ampitahaina ny #PorkinQatar ( kisoa ao Qatar) sy ny sakafo “halal” any Andrefana satria ny sakafo halal dia tsy manafintohina na voaràra amin'ny fivavahan'izy ireo #Qatar

Na dia teo aza ilay fizarazaran-kevitra, dia voaporofo fa be mpitady ilay hena :

@blakehounshel l: QDC dia nilaza fa tao anatin'ny adiny efatra dia nahalafo 10% tamin'ny entana nafaranany izy #porkinqatar

@sandychoi : “Dutch bacon” : io no sakafo ao #Doha #bacongate #freedompork http://pic.twitter.com/jVKEcDMW
Dutch bacon in Qatar

Ary maro ireo mponina no nandefa vazivazy momba ilay resaka :

@AishaAlJufairi : RT @KKAlThani: #PorkInQatar? (kisoa ao Qatar) raha mbola  “Halal”ilay izy, dia tsy raharahiako

@ammr: طلعت تأشيرتك خنزيري الحبيب #PorkInQatar #BoycottQAirways http://twitpic.com/7i1nyi #qatar #doha

Pork in Qatar

Dikanteny :

@danalthani : @shamozal “Ho an'i Kisoa! Tonga ny taratasy fahazahoan-dàlanao ho ao Doha! ankehitriny ianao dia afaka ny hinamana amin'ireo akoho sy trondron-dry zareo ”#porkInQatar #BoycottQAirways

Ny hafa dia manandrana ny maminany ny zavatra hitranga manaraka ao Qatar :

@khalifa_MK : “Majorette” manaraka 😀 #porkinQatar

Tsy maninona na dia hafahafa aza…

@Bo5alood_12 : Voalohany aloha dia nataony manara-dalàna ny alikaola, avy eo nilaza ry zareo hoe afaka mividy #PorkinQatar (kisoa ao Qatar) ianareo ankehitriny, ary amin'ny farany ho raisin'izy ireo ho toy ny asa raikitra ny fivarotan-tena !!!!

Ny hafa, niaraka tamin'izany, mitady ny hanao zavatra :

@Reem_abdulKarim: #PorkInQatar (kisoa ao Qatar) fotoana izao hahatonga anareo ho tena Angry Birds (Vorona Tezitra be) ary hanomboka hamono ireo kisoa ratsy ireo izay mibahana ny tsenanareo. ;p

@Jaber_AlMulla: http://twb.ly/uimRXk‏ Azafady anie mba apetaho ilay sora-baventy “Ajanony ny kisoa ao Qatar” ary zarao  ‎#PorkInQatar

Ny tena tsikaritra, angamba,  dia ny tenifototra #BoycottQAirways, izay nahitana bitsika an-katezerana an-jatony, izay tamin'ny teny Arabo.

Qatar Distribution Company (QDC), izay mpaninjara sakafo misy kisoa sy zava-pisotro misy alikaola ho an'ny olon-tsotra ao amin'ny firenena, dia sampan-draharaha iray an'ny Qatar Airways Group.  Ary izany, mazava ho azy, dia nitondra tamin'ny antso ho amin'ny hetsika iray ho fanaovana an-kivy ilay hany zotram-piaramanidina izay ao amin'ny firenena.

Koa ahoana àry ny fahitanao izany rehetra izany? Tokony ho hajain'ny rehetra ve izany ny finoana Silamo ao anatinà firenena iry npifikitra amin'ny nentin-drazana, sa kosa tonga any amin'ny zo izay anaovan'ny olona ny safidiny manokana?

Misy lahatsoratra mitovy amin'ity hita ao amin'ny Doha News.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.