Lahatsoratra farany an'i Ornella tamin'ny Marsa, 2014
Frantsa : Firehana Ara-Tsakafo Farany Ny Holatra
Toy ny divay sy ny voankazo ary ny legioma, dia manana ny anjara toerany lehibe amin'ny saina sy ny sakafo ny holatra, miaraka amin'ny fomba fiaina tsara sy ny vokatra eo an-toerana.
Indonezia : Niteraka Setroka Matevina Nandoto Ny Rivotra iainana Ny Doro Ala Tany Riau
Niha- nahery vaika ireo doro ala any amin'ny faritra andrefan'i Indonezia tamin'ity volana ity ka nahatonga setroka ratsy nandoto ny firenena. Tonga hatrany Singapore sy Malezia ihany koa ilay setroka .
Malezia : Voasivana Ilay Boky Misy Ny Tantara An-Tsary ‘Ultraman’ Fa Nampiasa Ny Teny Hoe ‘Allah’
Heverin'ny Ministeran'ny atitany Maleziana fa fanozongozonana ny filaminam-bahoaka ny fandikana ny teny hoe Andriamanitra ho Allah ao anatin'ny tantara an-tsary 'Ultraman'
Syria: Izaho No Aleppo, Aleppo Dia Izaho

"Mitovy izahay sy Aleppo : simba, feno afo, misavoritaka," izany no nosoratan'i Marcell Shehwaro, mpitoraka bilaogy / mafana fo, ao amin'ny lahatsoratra voalohany amin'ny andiany momba ny fiainana any Syria mandritra ny tsy fifankahazoana amin'izao fotoana izao.
Mpanao Gazety Iray Noroahana Fa Nitsikera Ny Fibodoana an'i Crimée Tao Amin'ny Facebook

Mametra-panontaniana ny Rosiana raha mbola afaka 'hikarakara' azy ireo i Putin, raha midika ho fampitomboana ny fampiasam-bola kosa izany ho an'ny faritra manodidina.
Arabia Saodita : Niaka-peo Tao Amin'ny Twitter ireo Printsesa Migadra
Nisy ny angano mitantara ny printsesa voahidy anaty tilikambo, fa amin'izao fotoana izao, any Arabia Saodita, printsesa efatra no milaza fa tsy araka ny sitrapony ny hitazonana azy nandritra ny 13 taona.
Saripika : ‘Theyyam’, Fetin'ireo Andriamanitra Any Kerala Any India
Miaraka amin'ny dobok'amponga sy ireo dihy mahafinaritra, atao isan-taona manomboka ny volana Novambra any amin'ny fiangonana maherin'ny arivo ny fetiben'ny Theyyam.
Sakafo 5 Nenti-paharazana Avy Amin'ny Tany Miteny Frantsay
Noana tajine, hena na trondro ahandroina miaraka amin'ny legioma na voankazo maina avy any Maraoka ? Sa ahoana ny momba ny ravitoto, sakafo vita amin'ny ravi-mangahazo, tongolo be sy henankisoa avy any Madagasikara
Venezoela : Inona No Lazain'Ireo Mpomba Ny Fitondrana Mikasika Ny Hetsi-Panoherana ?
Firehana roa lehibe fa matetika mitovy foto-kevitra no hita ao amin'ny aterineto. Trandrahanay ny fomba fijerin'ireo mpomba ny Chavisme hita ao amin'ny aterineto nandritra ny hetsi-panoherana.
Bangladesh : ‘Gunday’ Horonan-Tsarimihetsika Nahatezitra ny Vahoaka
Miresaka ny ady teo amin'ny India sy Pakistana tamin'ny 1971 fotsiny ilay horonan-tsarimihetsika, hadinony ny ady ho fanafahana an'i Bangladesh tamin'i Pakistana.