Lahatsoratra farany an'i Ornella tamin'ny Novambra, 2012
Shina: Ny Faratenin'Ireo Tibetana 19 Nandoro Ny Tenany
Tsering Woeser, mpanoratra izay mitatitra ny toe-draharaha momba ny zon'olombelona any Tibet, dia nanangona ireo faniriana farany sy ireo didy miafina 19 avy amin'ireo Tibetana nandoro ny tenany ho fanampiana ny olona hahatakatra ny zavatra takiany.
Bilaogy Mampifandray An'i Afganistana Sy Pakistana: ‘Fifankahazoan'ny Mpifanolo-bodirindrina’
Tamin'ny fandaharan'asa fanomezana vatsim-pianarana io, indroa niatrika fihaonambe ireo mpanao gazety 22 avy any Afghanistan sy Pakistana, ny iray tany Islamabad ary ny faharoa tany Kabola mba hisian'ny fifankahazoana sy fifampizaràna ny zava-tsoa ary hifanakalo kolontsaina. Nosoratany ireo traikefa ireo ary nampitondrainy ny lohateny hoe 'fifankahazoan'ny mpifanolo-bodirindrina' ary vVonona hanao fanamby ry zareo hanohitra ireo fitantaràna am-polo taona voapetraka mikasika ireo mpifanolo-bodirindrina aminy.
Fakàna An-Keriny Mpanao Gazety Tany Kyrgyzstan: Sangisangy Ratsy sa Heloka Be Vava?
Nampitahorina tamin'ny basy sy notampenana maso no nakàna an-keriny azy ary nentina tany an-tany efitra. Avy eo nobaikoana hanala ny ampahany amin'ny fitafiany ary lehilahy maro be no nandrahona ny hanolana sy hamono azy. Avy eo, nolazain-dry zareo fa sangisangy ireny rehetra ireny.
Inona Marina Ny Hackathon? Ary Inona Ny Angon-Drakitra Misokatra?
Efa nambaranay tany aloha ny hackathon manaraka ho an'ny faritra Amerika Latina : Fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012. Saingy mety tsy fantatry ny mpamaky maro ny dikan'ny hackaton na ny antony ilàna azy. Eto izahay dia manandrana mamaly ireny fanontaniana ireny amin'ny famaritana, ohatra, ary lahatsary resadresaka roa miaraka amin'i Mariano Crowe, teratany Arzantina, hacker.
Kiobà: Nafoanan'ny Governemanta Ny Famerana Fandehanana Ho An'ny Olom-pirenena
Tamin'ny 16 Oktobra, no nanambaràn'ny governemanta Kiobàna ny drafitra hanafoanana ny famerana ny fandehanana mampisalasala ho an'ny olom-pirenena Kiobàna. Ampiharina amin'ny Janoary 2013 io politika io.