Lahatsoratra farany an'i Ornella tamin'ny Septambra, 2014
Misaona An'i Gustavo Cerati, Ilay Arzantina Malaza Mpiangaly “Rock”, Ny Mozika Any Amerika Latina
Nahatsiaro ilay mpitendry gitara mana-talenta Gustavo Cerati, mpikambana taloha tao amin'ny tarika malaza mpiangaly ny mozika ao Amerika Latina "Soda Stereo" izay maty omaly teo amin'ny faha-55 taonany, ireo mpampiasa Twitter.
Tratra Ny Fampitsaharana Poa-basy, 50 Andro Taorian'ny Ady Sy Faharavana Goavana Tao Gaza
Sivily ny roa amby fitopolo isan-jaton'ireo Palestiniana 2137 maty tamin'ilay fanafihana nataon'i Israely. Tsy manan-kialofana ny ampahatelon'ny mponina any Gaza.
‘Ankona Izahay ‘: Vehivavy Gazaniana Iray Mitantara Ny Fanafihan'i Israely Ka Nahatonga Ireo Mpiara-Monina Aminy Ho Tsy Manan-Kialofana
" Vetivety foana, renay ny baomba roa nipoaka. Tohina daholo izahay rehetra. Nandeha nanamarina ny anadahiko ary niverina vetivety tao aminay taty ambany ka niteny fa rava tanteraka."
Donetsk : Nalain'ireo Mpiady Anaty Akata Ao Donetsk An-Keriny Ilay Okrainiana Mpanakanto Mpiady Anaty Akata Sahy Naneso Azy Ireo.
Nalain'ny mpikomy an-keriny ilay Okrainiana mpanakanto mpiady anaty akata izay mametaka miafina sary vongana kely maneso ireo mpiady anaty akata mpitaky fizakantena any amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Donetsk ao Donetsk, tanàna voabodo
Max Blumenthal, Jiosy Amerikana Mpanao Gazety Mitsidika Any Gaza Sy Mibitsika Ny Sarin'ny Faharavan'ny Tanàna
Nitsidika an'i Beit Hanoun niaraka tamin'i Dan Cohen, Palestiniana mpanao gazety mipetraka any i Max Blumenthal, Jiosy Amerikana mpanao gazety sady mpanoratra no mpitoraka bilaogy. Zarain-dry zareo ireo sary mampiseho ny 'faharavana tanteraky' ny tanàna.
Alzeria : Henatra sy Hatezerana Taorian'ny Fahafatesan'i Albert Ebossé, Kamerone Mpilalao Baolina Kitra, Noho Ny Zavatra Natoraky Ny Mpijery
"Tsisy faniriana hanohy ny fiadiana ny tompon-daka intsony taorian'ny nahafatesan'i #Ebosse! #Disgusted (rikoriko). Mbola manan-danja lavitra nòho io fatin-javatra io ny fiainanay."
3 Taona An-tranomaizina Noho Ny Fandokoana Fefy Taminà ‘Loko Atsifotra’ ? Fotoana izao Hitenenanao Hoe : ‘Tsia’
Nanao fanentanana ny " Avoahy Vitishko", fanangonan-tsonia amin'ny alàlan'ny sehatra iraisam-pirenena "Avaaz" ireo mpikambana tamin'ity lohataona ity. Mitaky ny famoahana ny fonja tsy misy hatak'andro sy tsy misy fepetra ilay mpandàla ny tontolo iainana.