Lahatsoratra farany an'i Ornella tamin'ny Marsa, 2013
Global Voices Any Amin'ny OECD – Fikaonan-Doha Iraisam-Pirenena Momba Ny Fampandrosoana
Nomena fahefana hitoraka bilaogy mivantana ny OECD Global Forum on Development na Fikaonan-doha Iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana atao any Paris ny 4 sy 5 Aprily 2013 ireo mpitoraka bilaogin'ny Global voices. Ho fanomanana ny fivoriana dia nametraka lahatsoratra momba ireo olana amin'ny fandrosoana izay hanampy amin'ny adihevitra atao amin'ny aterineto isan-kerinandro.
India : Fanambatambazan'i India Ny Vehivavy Amin'ny Tetibola Vaovao
Miakatra 10 isan-jato ny vola afantoka amin'ny fandaharan'asa momba ny vehivavy amin'ny tetibola vaovao 2013-2014 any India. Nefa milaza ny sasany amin' ireo vehivavy sy mponina fa tsy ampy sy tsy mahavita zavatra akory ny fanapahan-kevitra noraisin'ny governemanta.
Shina, Nalefa Mivantana Tamin'ny Fahitalavitra Ny Famonoana Ilay Birmana Lehiben'ny Zava-Mahadomelina
Naw Kham, lehibenà mpivarotra zava-mahadomelina Birmana dia novonoina tamin'ny alàlan'ny tsindrona tany Shina. Nanaitra sy nahatezitra ireo vahoaka tany Myanmar ny nahalalàna fa nalefa mivantana tamin'ny fahitalavitra ny famonoana an'i Naw Kham. Nandiso fanantenana ny sasany kosa ny tsy nanaovan'ny governamanta fifanarahana fanakalozana gadra tamin'ny Shina.
Shina: Mitaky Fitovian-Jo Amin'ny Fanambadiana Ireo Ray Aman-dRenin'ny Ankizy Gay
Ray aman-dreninà gay ( lehilahy mifankatia) sy lesbienne ( vehivavy mifankatia) maherin'ny 100 avy any faritra samy hafa any Shina no nandefa taratasy misokatra any amin'ny solontenan'ny Kaongresim-Pirenen'ny Vahoaka any Shina mangataka amin'ny governemanta hanao ny fanambadian'ny mitovy fitaovam-pananahana ho ara-dalàna
Medellín, Kolombià: Mivoatra Saingy Misy Tsy Fitoviana
Nambaran'ny gazety boky WSJ, tamin''ny 1 Martsa fa voafidin'ny fifaninanana "Tanànan'ny Taona " ho tanàna mivoatra indrindra eto amin'izao tontolo izao i Medellín. Fa tamin'io andro io ihany koa, no nitateran'ny gazety fa nambaran'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona ho tanàna iray faran'izay anjakan'ny tsy fitoviana indrindra eto amin'izao tontolo izao io tanàna io. Io fifanoherana goavana amin'ireo tatitra roa ireo io dia niteraka resabe tamin'ny tambazotra sosialy.
Mandray Ny Gadona Afrikana Ny Karnivaly Breziliana Any Salvador
Nanerana an'i Bahia, Salvador ary natao tamin'ny toerana telo tao an-tanàna , izay nanintona mpizaha tany antsasakà tapitrisa nandritra ny andro nanaovana ny lanonana, ilay Fetibe Karnivaly breziliana, fety lehibe indrindra maneran-tany. Ny fiarovana ny kolontsaina Afro-Breziliana no tena fototry ny fetibe Bahiane sady lohahevitra ho an'ilay tantara malazan'i Pelourinho amin'ity taona ity ny hoe ‘Black Carnivals’.