Lahatsoratra farany an'i Ornella tamin'ny Jona, 2018
Arabisc: Fifidianana Any Bahrain, Fahafatesan'Ankizy, Fahalalahana Manjavozavo !
Nifidy fanindroany ny ho solombavambahoaka teo amin'ny tantara vaovaony i Bahrain . Manodidina ny 300.000 ireo mpifidy nandeha nandatsa-bato. Isan'izany ilay mpitoraka bilaogy Haythoo, izay nanantena ....... ny 'antokony'. Fa ankoatra izany ireo tranga hafa miseho eo amin'ny firenena, samy tantarain'ny mpitoraka bilaogy avokoa ireny.
Mathare: Mitoraka Bilaogy Ho An'ny Fanovàna Ny Vondrom-piarahamonina Misy Azy Ny Tanora
Ho fanohizana ny andian-dahatsoratra ho an'ny fikambanana mpiara-miombon'antoka aminay, Map Mathare momba ny fitsidihan'ny Global Voices dia mijery ireo olana sasany avoitran'ireo ekipa mpanao sarintany, sy ireo vahaolana raisina any amin'ireo tanàna tsizarizary ao Mathare any Nairobi, Kenyà ry Ylenia Gostoli, Saffah Faroog ary Yvonne Tiany.
Bosnia Sy Herzegovina : Takian'ireo Mpanao Hetsipanoherana Ny Rariny Ho An'ireo Fahafatesana Roa Tsy voavaha
Niely nanerana an'i Bosnia sy ny zanany am-pielezana ny hetsi-panoherana mitaky ny rariny tamin'ny fahafatesan'ilay tanora 21 taona, David Dragičević.
Fiteny : Rakibolana Nouchi Amin'ny Aterineto, Nangonina Avy Any Ifotony
Tenin-jatovo fandre eny an-dàlambe fampiasan'ireo jiolahimboto ao an-drenivohitra, Abidjan no niantombohan'ny Nouchi, nefa nahazo ny lanja , ka tonga hatramin'ny famolavolàna rafi-panoratana. Tetikasa iray no niandraikitra ny fanaovana rakibolana iray nangonina avy any ifotony amin'ny aterineto ho an'io fiteny io, ka hahafahan'ireo mpampiasa io teny io manampy voambolana amin'ny alàlan'ny fampiharana na ny mombamomba azy amin'ny Facebook-ny
Ataon'ny Makedonianina Vazivazy Ny Mikasika Ilay Fifanolanana Amin'i Gresy
Raha mihevitra ilay fifanolanana mikasika ny fanomezana anarana miaraka amin'ny Gresy ho raharaha matotra ny ankamaroan'ny olom-pirenena any amin'ny Repoblikan'i Makedonia, ny sasany kosa dia maneho izany amin'ny hatsikana sy ny fanesoana (sariitatra ).
Etazonia, Fifidianana : Izay Tian'Ireo Firenena Sisa Manerantany
Topi-maso indray mihelatra amin'ny haba-tranonkalanay Voices without Votes, na amin'ny tontolon'ny bilaogy manerantany, dia tsy isalasalàna fa .... no tian'ny olona ho filoha [amerikana]