Sakafo 5 Nenti-paharazana Avy Amin'ny Tany Miteny Frantsay

Midika ho fanaovana sakafo matsiro ny fotoanan'ny Karnivaly sy ny Talata Matavy maneran-tany. Mba hampilendalendana anao dia asehonay eto ireo sakafo mampiavaka ireo faritra mampiasa ny teny frantsay, mitondra aminm-pireharehana ny lova navelan'ny fikarakarana sakafo Frantsay. Mazotoa homana !

Cote d'Ivoire:  Ny Alloco

Sakafo nentim-paharazana any Afrika Andrefana sy Afrika Afovoany ny Alloco. Vita amin'ny ‘plantains’ (karazana akondro) voaendy aminà mena-boanjo na menaka voanio, ary azo aroso ho toy ny sakafo antenantenam-potoana na ampiarahana amin'ny sakafo mahavoky izy. Loharano rahateo nipoiran'ireo toeram-pisakafoanana an-kalamanjana antsoin'ny Ivoariana hoe ‘allocodrome’ izay mivarotra sakafo Ivoariana toy ny attiéké sy ny poulet braisé (hena akoho atono) amin'ny vidiny mora ny alloco. 

 Alocco:  tranches de banane plantain frites (accompagnées ici de poissons frits)  via wikimédia commons

Alloco: akondro plantain voatetika manify sy voaendy (miaraka amin'ny trondro nendasina izy  eto). Avy ao amin'ny Wikimedia Commons

Zarain'ny bilaogy “Recettes africaines” (Sakafo Afrikana) ny fikarakarana sakafo manokana miaraka amin'ny sakay ho an'ny alloco:

Pilez les piments avec l’oignon et l’ail. Vous pouvez utiliser un robot cuilinaire ou un mortier.

Mélangez avec la tomate concentré ,l’eau, la moitié du bouillon cube et l’eau.

Chauffez l’huile juste un peu et ajoutez le mélange de piment. Faites cuire pendant 15 minutes à feu doux. Pour finir salez et poivrez, ajoutez un peu de citron si vous voulez (Moi j’aime bien).

Maintenant servez vos bananes frits avec le piment. Vous pouvez aussi servir avec de l’Attieké.

Totoy miaraka amin'ny tongolo gasy sy tongolo be ny sakay. Afaka mampiasa milina fitotoana na laona ianao.

Afangaroy miaraka amin'ny voatabia marihitra, antsasakà kioba fanaovana ro ( karazana jumbo) ary rano.

Hafanao kely ny menaka ary ataovy ao ilay sakay mifangaro. Ahandroy amin'ny afo malefaka mandritra ny 15 minitra. Farany, ampio sira sy dipoavatra hanome tsiro, ary ampio ranom-boasary makirana kely raha tianao.( Tiako izy amin’ izay !)

Arosoy amin'izay ny akondro misy sakay nendasinao. Azo aroso miaraka amin'ny attieké ihany koa io.

Louisiana (Etazonia):   ny Jambalaya/Gumbo amin'ny orana (bibin-dranomasina)

Misy karazany marobe ny jambalaya, izay miova arakaraky ny hena sy ny fikarakarana ny vary izay maha-izy azy, samy feno masiatsiaka mandrakariva toy ny vary jambalaya Kreola foto-tsakafo any amin'ny fanjakan'i Lousiane, ao amin'ny tanànan'i Nouvelle-Orléans. Karazany mampiavaka azy ny gumbo amin'ny orana.

crawfish etouffée ou gumbo à l'écrevisse via wikimédia commons

 Gumbo amin'ny patsabe, avy amin'ny Wikimedia Commons

Inty misy fikarakarana ny gumbo amin'ny patsabe avy ao amin'ny tranonkalan-tsakafo Marmiton:

Nettoyez les crevettes en enlevant l'intestin, mais laissez les têtes (cela donne du goût).

Coupez les gombos en rondelles de 1 cm, et faites-les cuire dans de l'eau salée (20 min).

Faites revenir l'ail, l'oignon, et les crevettes dans un peu d'huile d'olive. Salez et poivrez (10 min).

Égouttez vos gombos cuits, et versez-les sur les crevettes (5 min).

Servir seul, ou avec du riz et un piment. 

Sasao madio ny patsabe ary alao ny tsinainy, aza alàna ny lohany (izay manome tsiro).

Teteho madinika tokony ho 1 sm ny ‘okra’ ary ahandroy amin'ny ranon-tsira. (20mn).

Endaso ary haroharoy amin'ny menaka oliva kely ny patsabe miaraka amin'ny tongolo gasy sy ny tongolo be. Asio sira sy dipoavatra (10 mn)

Tantavano ilay gumbo efa masaka ary araraho ao amin'ilay patsabe (5 mn).

Arosoy amin'izao na ampiarahina amin'ny vary sy sakay.

Madagasikara: ny Ravitoto

Sakafo Malagasy nentim-paharazana ny ravitoto. Ravi-mangahazo tanora totoina amin'ny laona ary afangaro amin'ny tongolo sy henankisoa no zavatra ampiasaina aminy.

Omen'i Jenny M. ao Antananarivo voninahitra miaraka amin'ny fikarakarany azy manokana io sakafo Malagasy ‘tsy azo ihodivirana’ io:

#1. Faire cuire le porc avec un peu d’eau.

#2. Dans une grosse marmite, une fois l’huile chauffée, ajouter les oignons, l’ail et la viande. Une fois la viande bien dorée, ajouter les feuilles pilées, le gingembre et le Kub’Or ainsi qu’une tasse d’eau.

#3. Laisser mijoter 30 minutes puis finir la cuisson sans le couvercle pour laisser le ragoût réduire un peu (5 à 10 minutes).

#1: Andrahoy amin'ny rano kely ny henankisoa.

#2: Arotsahy ao anaty vilany lehibe misy menaka mafana ny tongolo be, tongolo gasy ary ny hena. Raha vao mendy ny hena dia arotsahy ny ravina voatoto (ravitoto), ny sakamalaho ary ny Kub'Or ( karazana Jumbo) miaraka amin'ny rano iray kaopy.

#3. Sarony sy avelao ho masak'evoka ambony afo malefaka mandritra ny 30 minitra, ary farany esory ny takotra ary avelao ho ritra tsikelikely (5 hatramin'ny 10 mn)

ravitoto via Dodanville

Ravitoto avy amin'ny Dodovanille

 

Maraoka: ny Tajine

Tsiro nentim-paharazana ny Tajine izay ny fangarony dia izay zavatra tian'ny sefo atao na izay misy eny an-tsena. Samy mahandro araka izay itiavany azy ny Maraokana tsirairay, fa ny tajine dia tsy ialàn'ny hena na trondro ahandroina miaraka amin'ny legioma na voankazo maina. Asehon'ny bilaogy “La Cuisine Marocaine ( Sakafo Maraokana )” ny fanaovana  ny tajine-nà zanak'ondry miaraka amin'ny ‘truffle’ fotsy : 

Si vous utilisez des truffes fraiches, rincez les soigneusement a l'eau froide pour les débarrasser de leur sable.
Epluchez-les et mettez-les au fur et a mesure dans un saladier d'eau. Selon leur grosseur, coupez-les ou laissez-les entières. Ensuite, faites-les cuire à l'eau bouillante salée pendant environ 15 min jusqu'à ce qu'elles soient tendres. Egouttez les Bien.

Coupez l'épaule d'agneau en morceaux. Epluchez l?ail et coupez-le en lamelles. Dans une marmite, versez l?huile d'olive, ajoutez les morceaux de viande et faites-les dorer à feu moyen. Au bout de 5 min, versez 40 cl d'eau, ajoutez l?ail et le curcuma. Salez et poivrez.

Couvrez et laissez mijoter a feu doux pendant environ 1 h. Ajoutez les truffes dans la marmite 10 min environ avant la fin de la cuisson.

Raha ohatra ka ‘truffle’ lena no ampiasainao dia iangalio sy sasao madio tsara amin'ny rano mangatsiaka mba hialan'ny fasika.

Voasy ary apetraho moramora ao anaty tsatokaty lehibe. Teteho na avelao amin'izao arakaraky ny habeny. Avy eo ahandroy amin'ny ranon-tsira mangotraka mandritra ny 15 mn na mandra-palefany.  Tantavano tsara avy eo .

Teteho madinika ny sorokà zanak'ondry. Voasy ny tongolo gasy ary teteho manify. Ahandroy ao anaty vilany misy menaka oliva aminà afo tsy dia mahery loatra mandra-pahamendiny ilay zanak'ondry. Afaka 5 minitra, ampio rano 40 sl, tongolo gasy, tamotamo, sira ary dipoavatra.

Sarony ary avelao hangotraka amin'ny afo malefaka mandritra ny adiny iray. Arotsahy 10 mn alohan'ny fahamasahany ny ‘truffle’.

Tajine du Maroc via wikimedia commons

Tajine, avy amin'ny Wikimedia Commons

Frantsa: Coq au vin

Sakafo nentim-paharazana mahazatra ny Frantsay ny Akoholahy amin'ny divay na ‘rooster’. Tantarain'i Oenologie perwez ny tantaran'io sakafo io : 

Une tribu Arverne était assiégée par les romains; le chef, pour narguer le Romain, lui fit parvenir un coq maigre, combatif et agressif, pour témoigner de la détermination des Gaulois. Lors d'une trêve, le général (Jules César) invita le chef Arverne à un repas où lui fut servi une délicieuse volaille baignée d'une onctueuse sauce rouge. S'étant régalé, le Gaulois demanda à César: “Quel est donc ce mets?”. Il lui répondit qu'il s'agissait de son coq, mariné dans du vin et cuit lentement…

Nataon'ny Romana fahirano ny foko Arverniana. Mba hanesoana ny Romana dia nomen'ny lehibeny ho an'ny Romana ny akoholahy iray, mahia mpiady sy mahery setra ho vavolombelon'ny tsy fihemoran'ny ‘Gaulois’ na dia teo aza ireo sakana. Nandritra ny fotoam-piatoana kely dia nasain'ny jeneraly Romana (Jules César) hisakafo ny lehiben'ny Arverniana, akoho matsiro milona ao anaty saosy mena no sakafo. Nazoto homana ary nanontany an'i César ilay Gaulois hoe inona io. Dia novalian'i César hoe ilay akoholahiny, nalona divay sy nahandroina miadana io…. 

Coq au vin rouge via wikimedia commons

Akoholahy amin'ny divay, avy amin'ny Wikimedia Commons

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.