Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nancy · Febroary, 2013

Lahatsoratra farany an'i Nancy tamin'ny Febroary, 2013

18 Febroary 2013

Hong Kong : Mafàna Fo Nogadraina Noho Ny Fandoroana Sainam-Pirenena Shinoa

Voasazy sivy volana an-tranomaizina ilay mafàna fo ao Hong Kong tamin'ny Alakamisy noho ny nandoroany sy nandrovitany sainam-pirenena Shinoa sy sainam-pirenena Hong Kong nandritra ny hetsika in-droa miantaona nanoherana ny governemanta kaoministy ny tanibe , nanaitra ireo maro mpiserasera amin'ny aterineto hampiakatra ny fanivaivàny ny sainam-pirenena Shinoa amin'ny nahim-pony ho...

Paragoay Taorian'ny Fahafatesana Tampoky Ny Mpifaninana Ho Fidiana Ho Filoha, Lino Oviedo

Maty nianjera tamin'ny angidimby nandehanany tamin'ny Sabotsy 2 Febroary 2013 tany avaratr'i Asunción i Lino César Oviedo, jeneraly Paragoaiana misotro ronono sady mpanao politika. Maty ihany koa ny mpanamory sy ny mpiambina azy.

08 Febroary 2013

Mozambika : An'aliny Ny Trà-Boina Noho Ny Habetsahan'ny Orana

Nilatsaka nanomboka tamin'ny fiandohan'ny volana Janoary ny orana ary nandrava ny afovoany sy ny ilany atsimon'ny firenena, tany Mozambika. An'aliny ny olona nafindra toerana ary 45 no maty araka ny tatitra. Raha mbola mitombo ny trà-boina sy ny faharavàna, dia niantso firaisankina sy naneho ny hatezerany manoloana ny halatra sy...

05 Febroary 2013

Meksika: Hagagana Sy Ahiahy Taorian'ny Fipoahan'ny Foiben-toeran'ny Pemex

Fara-fahakeliny olona 14 no maty ary 80 no naratra, hatramin'izao dia ireo no vokatra azo tamin'ny fipoahana mafy namely ilay orinasam-panjakana Meksikana momba ny solitany (Pemex) tamin'ny Alakamisy faha 31 Janoary 2013 teo tany Mexico City. Nangoninay eto ireo hevitry ny sasany amin'ireo mpiserasera amin'ny aternineto.

Ady Amin'ny ” Jadona Mahery Vaika” Any Amin'ny Faritra Fitrandrahana Arintany Any Okraina

Tany Severnyi, tanàna ravan'ny fitrandrahana arintany ao atsinanan'i Okraina, ilay bilaogera ao amin'ny Donetsk Stanislav Kmet (mpampiasa ny LJ frankensstein), rehefa nandefasan'ny vondronà mponina mailaka izay mangataka ny hanampiana azy ireo mba hisintonanana ny sain'ny olona ho any amin'iio fitrandrahana tsy ara-dalàna io, izay mitady handrava ny tranon-dry zareo.

Côte d'Ivoire : Voampanga Ho Nanao Heloka An'Ady i Charles Blé Goudé

Taorian'ny fisamborana azy tany Ganà, Charles Blé Goudé, ilay antsoina hoe ny jeneralin'ny làlambe sady havana akaikin'ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo, dia voaheloka tamin'ny 21 Janoary noho ny heloka an'ady vitany. Nampikoriana ranomainty ( na "kilo-octets" no marimarina kokoa) tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ivoarianina io fisamborana azy io satria...

03 Febroary 2013

Koety: Mitokona Tsy Misakafo Ilay Mafàna Fo Tsy Manana Zom-Pirenena.

Nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina tao am-ponja ilay mpikatroka mafàna fo tsy manana zom-pirenena Abdulhakim AlFahdi, ny 16 Janoary teo, rehefa nandray ny saziny roa taona an-tranomaizina. Nampangain'ny fitsarana fa namely mpitandro filaminana iray tamin'ny hetsi-panoherana natao tamin'ny volana Marsa teo ity mafàna fo ity. Nolazain'ilay mpikatroka mafàna fo fa noforonina...